MOFON’AINA TALATA 07 JANOARY 2020

1 Ary Jehovah nanomana hazandrano lehibe hitelina an’i Jona. Ary Jona dia tao an-kibon’ilay hazandrano hateloan’andro hateloan’alina. 2 Dia nivavaka tamin’i Jehovah Andriamaniny tao an-kibon’ny hazandrano Jona 3 ka nanao hoe: Niantso an’i Jehovah tamin’ny fahoriako aho, Ka dia namaly ahy Izy; Tao anatin’ny fiainan-tsi-hita no nitarainako, Dia nihaino ny feoko Ianao. 4 Fa efa natsipinao tao amin’ny lalina aho, Dia tao amin’ny ranomasina, ka voasafotry ny riaka aho; Nanarona ahy ny alon-dranonao sy ny onjanao rehetra. 5 Dia hoy izaho: Voaroaka tsy ho eo anatrehanao aho, Nefa mbola nanatrika ny tempolinao masina ihany. 6 Ny rano nanarona ahy hatramin’ny aiko, Ny lalina namefy ahy manodidina; Ny zava-maniry any an-dranomasina nisingotra manodidina ny lohako. 7 Tafalatsaka tany amin’ny fanambanin’ny tendrombohitra aho; Ny hidin’ny tany nanidy ahy mandrakizay; Nefa nampiakatra ny aiko avy tao andavaka Ianao, Jehovah Andriamanitro ô. 8 Raha reraka tato anatiko ny fanahiko, Dia nahatsiaro an’i Jehovah aho; Ka tonga tao Aminao ny fivavako, Dia tao amin’ny tempolinao masina. 9 Izay mivavaka amin’ny sampy. Dia mahafoy Izay Mpamindra fo aminy 10 Fa izaho, dia feo midera no entiko namono zavatra hatao fanatitra ho Anao, Ary izay nivoadiako dia hefaiko; An’i Jehovah ny famonjena. 11 Ary Jehovah nandidy ilay hazandrano, ka dia naloany ho eny amin’ny tany maina Jona.
JONA 2 : 1-11

MAMONJY SY MANAFAKA IZAY MIVERINA AMINY ANDRIAMANITRA

Mipasoka ny efa malama aho raha hitantara amintsika ny tantaran’i Jona mpaminany. Fantatsika tsara ny zavatra nataony rehefa nirahin’Andriamanitra hilaza loza tao amin’ny tanànan’i Ninive izy. Tsy nandeha tany izy fa nandeha tamin’izay mifanohitra tamin’izay nanirahan’ny Tompo aza. Teo anatrehan’izany dia nokapohan’Andriamanitra izy ka natsipy tany an-dranomasina, ary eto amin’izao mofonaina izao dia natelin’ny Trondro izy. Ao an-kibon’ny trondro dia ory sy fadiranovana ka nitaraina tamin’ny Tompo ary novonjen’ny Tompo. Ireto no hafatry ny tenin’Andriamanitra

  1. Tafalatsaka ao anaty laliny izay mahafoy sy mandà ny Tompo (and 5-7)

« hoy izaho: Voaroaka tsy ho eo anatrehanao aho… Ny rano nanarona ahy hatramin’ny aiko, Ny lalina namefy ahy manodidina… Tafalatsaka tany amin’ny fanambanin’ny tendrombohitra aho; Ny hidin’ny tany nanidy ahy mandrakizay; Nefa nampiakatra ny aiko avy tao andavaka Ianao »

Ireo teny rehetra nolazain’i Jona ireo dia samy maneho avokoa fa tena tafalatsaka tao anatin’ny laliny izy noho ny fandavany ny Tompo, sy noho izy nahafoy ny Tompo. Tsy azo atao mihitsy arak’izao ny miala amin’Andriamanitra, mahatonga loza ho an’ny tena sy ny hafa izany. Mahatonga ho tafalatsaka any amin’izay toerana tsy tokony hisy ny tena.

Ekeo tsara izay asan’Andriamanitra asainy atao, aza mba mahafoy an’Andriamanitra isika sao ho tafalatsaka lalina amin’ny karazam-pahoriana sy karazam-pahasahiranana maro samihafa eo amin’ny fiainana.

  1. Hahatsiaro an’Andriamanitra izay tafalatsaka ao anaty lalina (and 8 )

« Raha reraka tato anatiko ny fanahiko, Dia nahatsiaro an’i Jehovah aho; Ka tonga tao aminao ny fivavako »

Noho Jona tafalatsaka tao anaty lalina dia nahatsiaro ho reraka izy. Ary rehefa reraka dia nahatsiaro an’Andriamanitra. rehefa trotraky ny adim-piainana tokoa vao mba mahatsiaro an’Andriamanitra. Ny mahafaly dia misy fotoana tokoa izay miala amin’Andriamanitra avelan’Andriamanitra ho tafalatsaka ao anaty lalina mba hahatsiaro Azy. Eken’Andriamanitra izany mba hiverenan’ny olony ao Aminy. Ampiasain’Andriamanitra ny lalina eto ho fitaovana hamerina an’i Jona hahatsiaro an’Andriamanitra. rehefa reraka ianao noho ny fahoriana sy ny zava-manahirana eto amin’izao tontolo izao, dia mba tsarovy Andriamanitra. Be dia be mantsy na dia efa tafalatsaka lalina aza dia tsy mba mahatsiaro an’Andriamanitra akory. Aoka hahatsiaro an’Andriamanitra isika satria ampiasainy ny zava-manahirana eto amin’izao tontolo izao hamerina antsika ao Aminy indray.

  1. Manafaka izay mahatsiaro Azy Andriamanitra (and 11)

« Ary Jehovah nandidy ilay hazandrano, ka dia naloany ho eny amin’ny tany maina Jona »

Rehefa tapa-kevitra hiverina amin’Andriamanitra Jona dia nodidian’Andriamanitra ny hazandrano hamoaka azy avy ao an-kibony. Mampiasa ny fahefany amin’ny zava-boahary ny Tompo eto hanafaka ny mpanompony. Mahery Andriamanitra ka afaka mandidy ny zava-boahary tsy hihazona ny mpanompony amin’ny fahoriana lalina nahatafalatsaka azy. Ny fiverenana amin’Andriamanitra dia mahatonga an’Andriamanitra hiasa hanafaka mandrakariva. Eo ambany fahefan’Andriamanitra avokoa izao rehetra izao, baikony avokoa izany ka tsy misy na iza na iza, na inona na inoa ho afaka hihazona ny mpanompony ao anaty fahoriana lalina. Miverena tanteraka ao amin’ny Tompo, aza mahafoy Azy, ekeo ny asa fanompoana rehetra hampanaoviny fa hamonjy sy hanafaka tokoa Izy.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.