MOFON’AINA TALATA 07 JOLAY 2020

13 Ary niakatra teo an-tendromohitra Jesosy ka niantso izay tiany hankeo aminy. Dia nankeo aminy ireo. 14 Ary nanendry roa ambin’ny folo lahy Izy ho ao aminy sy hirahiny hitori-teny 15 sady hanana fahefana hamoaka ny demonia. 16 Ary Simona dia nomeny anarana hafa koa hoe Petera; 17 ary Jakoba, zanak’i Zebedio, sy Jaona, rahalahin’i Jakoba; izy mirahalahy dia nomeny anarana hafa koa hoe Boanerjesy, izany hoe Zana-baratra; 18 ary Andrea sy Filipo sy Bartolomeo sy Matio sy Tomasy sy Jakoba, zanak’i Alfeo, sy Tadeo sy Simona Kananeana 19 ary Jodasy Iskariota, ilay namadika Azy.
MARKA 3 : 13-19

NY MAHA-APOSTOLIN’I JESOA KRISTY

Fitantaran’i Marka ny fomba niantsoan’i Jesoa ireo Apostoly 12 lahy ity mofonaina androany ity. Fiantsoana miavaka, fiantsoana maneho indrindra ny maha-Apostoly, maha-mpanompon’i Jesoa Kristy. Arak’izany ny maha-Apostoly dia

  1. Antson’ny fitiavana (and 13)

« Ary niakatra teo an-tendromohitra Jesosy ka niantso izay tiany »

Mazava tsara fa izay tian’i Jesoa no nantsoiny ho Apostoly eto. Antsom-pitiavana niantefa tamin’izy 12 lahy ity antso ity. Antso maneho fa tian’i Jesoa izay rehetra antsoiny hiara-miasa Aminy. Ny asa fanompoana an’Andriamanitra rehetra dia tokony hahatsapana arak’izao ny fitiavan’Andriamanitra, fitiavan’i Jesoa miara-miasa amin’izay rehetra antsoiny. Tsy misy asa fanompoana azo tanterahina raha tsy mahatsiaro aloha ireo izay nantsoina ho tian’Andriamanitra, tian’i Jesoa izay niantso azy. Mandraka androany dia mbola io antsom-pitiavana io no miantefa amin’izay rehetra antsoin’Andriamanitra hiara-miasa Aminy, hiara-miasa amin’i Jesoa.

  1. Antso ho eo Aminy (and 13)

« Ary niakatra teo an-tendromohitra Jesosy ka niantso izay tiany hankeo aminy. Dia nankeo aminy ireo »

Ny hoe mankeo amin’i Jesoa dia misy dikany telo farafaakeliny :

– Mankeo amin’i Jesoa mba hianatra Aminy : manatona an’i Jesoa mba hianatra Aminy ny fomba fanompoana Azy, ny fomba fanatanterahana ny asany. Mianatra ny fomban’i Jesoa, ny fiteniny, ny fihetsiny, ny fitondrantenany.

– Mankeo amin’i Jesoa mba hanovo hery : manatona an’i Jesoa mba hanovo ny hery rehetra ho enti-manompo Azy. Tsy misy na iza na iza ho afaka hahavita ny asan’i Jesoa raha tsy efa nahazo ny hery avy Aminy. Ny herin’i Jesoa irery no hahavitana ny asa fanompoana Azy.

– Mankeo amin’i Jesoa mba ho afaka amin’ny geja samihafa : ny hoe manatona an’i Jesoa mantsy dia midika hoe miala amin’ny haizina ka manatona ny Mazava lehibe, Jesoa mantsy no mazava lehibe. Miala amin’ny fahotana ka manao ezaka manatona ny fahamasinana. Miala amin’izao fiainana eto amin’izao tontolo izao ka manatona an’i Jesoa fiainana.

Izay rehetra tonga eo amin’i Jesoa, toa ireto Apostoly ireto no ho afaka hanompo Azy marina tokoa.

  1. Antso ho amin’ny fiovana (and 16,17)

« 16 Ary Simona dia nomeny anarana hafa koa hoe Petera; 17 ary Jakoba, zanak’i Zebedio, sy Jaona, rahalahin’i Jakoba; izy mirahalahy dia nomeny anarana hafa koa hoe Boanerjesy, izany hoe Zana-baratra »

Nisy tamin’izy 12 lahy novan’i Jesoa ny anarany. Ny fanovana anarana dia midika ho fanovana ny maha-izy azy ny olona iray. Midika izany fa izay rehetra antsoin’i Jesoa hanompo Azy, ho Apostoliny dia ovany. Rehefa tena dinihina koa ilay fanovana dia fanovana ho amin’ny tsara kokoa (Petera : izay midika ho vato, mafy – tsy miova ; Boanerjesy : izay midika ho zana-baratra, enti-milaza hery sy fahefana). Izay mifikitra amin’ny maha-izy azy dia tsy ho afa-hanompo marina ny Tompo. Zava-dehibe io fanovana omen’Andriamanitra ny mino amin’ny alalan’i Jesoa io. Meteza ary mangataha mihitsy ovan’i Jesoa dia hahefa be amin’ny asany.

  1. Antso miteraka andraikitra (and 14,15)

« Ary nanendry roa ambin’ny folo lahy Izy ho ao aminy sy hirahiny hitori-teny 15 sady hanana fahefana hamoaka ny demonia »

Izy 12 lahy dia nomen’i Jesoa andraikitra mazava tsara eto : hitory teny sy hamoaka demonia. Rehefa tena manompo an’Andriamanitra dia ampahafantarin’Andriamanitra mazava tsara ny asa fanompoana Azy, ny andraikitra izay niantsoany. Tsy manompo an’Andriamanitra an-jambany fotsiny. Manompo an’Andriamanitra ka mahafantatra tsara ny antom-pisiana, ny antom-piantsoana. Mahafantatra tsara ny « mission » niantsoan’i Jesoa. Mahefa be kokoa izay mahafantatra tsara ny asa niantsoana azy eto amin’izao tontolo izao.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.