Mofon’aina – Talata 07 martsa 2017

7 Dia hoy izy tamin’ ny vahoaka izay nankeo aminy mba hataony batisa: Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy?8 Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana; ary aza manao anakampo hoe: Manana an’ i Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an’ i Abrahama avy amin’ ireto vato ireto.9 Ary, indro, efa mipetraka ao amin’ ny fototry ny hazo sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapohina ka hatsipy any anaty afo.10 Ary ny vahoaka nanontany an’ i Jaona hoe: inona ary no hataonay?11 Ary namaly izy ka nanao taminy hoe: Izay manana akanjo roa dia aoka hanome ho an’ ny tsy manana; ary izay manan-kanina, dia aoka hanao toy izany koa izy.12 Dia avy koa ny mpamory hetra sasany mba hataony batisa ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataonay?13 Ary hoy izy taminy: Aza mampandoa mihoatra noho izay notendrena halainareo.14 Ary nisy miaramila koa nanontany azy ka nanao hoe: Ary inona kosa no mba hataonay? Dia hoy izy taminy: Aza mitohatoha foana amin’ olona, ary aza miampanga lainga, ary mianina amin’ ny karamanareo.
LIOKA 3 :7-14

MAMOAZA VOA MENDRIKA NY FIBEBAHANA

Fiantsoana  ny olona hiroso amin’ny  fivavahana  tsy misy fihatsarambelatsihy  ny nataon’i Jaona mpanao batisa eto.

1- Ataovy  marina ny fibebahana

Maro  ny olona nanatona  an’i Jaona mba hataony batisa. Tamin’izany indrindra no nananarany  azy ireo mba hiroso  amin’ny fivavahana marina. Tsy fombafomba ny fanaovana batisa, tsy mahavonjy  ny filazana  fa taranak’i Abrahama. Fibebahana  fialana tanteraka  amin’ny làlan’ny faharatsiana. Tsarovy  fa mbola maro  tokoa ny olona no miaina  amin’ny fombafombam-pivavahana. Manatanteraka ny sakramenta ao amin’ny fiangonana. Miantehatra amin’ny anaran-dray aman-dreny  tany aloha. Hany  ka tsy manova  ny toetrany, ny fiainany  ny fivavahana ataony. Aoka  ho marina ny fibebahanao.

2-Mandehana amin’ny fahamarinana

Miteraka asa tsara ny fibebahana marina. Miaina  amin’ny fahamasinana sy ny fahamarinana ny olona tena niverina ho ao amin’ Andriamanitra. Manolo-tena marina ho an’ny Tompo. Tonga olombaovao  ka manao asa miavaka hifandraisany amin’ny mpiara-belona  aminy amin’ny alalan’ny asa fiantrana sy fanaovantsoa. Tsy manisy ratsy  ny namany. Ny tena zanak’ Andriamanitra  marina  tokoa dia miaina  amin’ny fahatsarana satria  tsara sady mpanao ny tsara Izy.

Fanontaniana:

Tanisao ireo voa maneho fa tena nibebaka ny olona

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen !