Mofon’aina – TALATA 07 NOVAMBRA 2017

1 Ary amin’ izany ny fanjakan’ ny lanitra dia ho tahaka ny virijina folo, izay nitondra ny fanalany ka nivoaka hitsena ny mpampakatra.2 Ary ny dimy tamin’ ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry.3 Fa ny adala nandray ny fanalany, nefa tsy nitondra solika fitaiza;4 ary ny hendry kosa nitondra solika tao anatin’ ny fitondrany sy ny fanalany.5 Ary raha naharitra ela ny mpampakatra, dia samy rendrehana avy izy rehetra, ka dia natory.6 Ary nony mamatonalina, dia nisy antso hoe: Indro ny mpampakatra! Mivoaha mba hitsena azy.7 Dia nitsangana ireo virijina ireo, ka samy namboatra ny fanalany.8 Dia hoy ny adala tamin’ ny hendry: Mba omeo kely amin’ ny solikareo izahay; fa efa ho faty ny fanalanay.9 Fa ny hendry namaly ka nanao hoe: Sao tsy ampy ho anay sy ho anareo, fa mandehana mankany amin’ ny mpivarotra ianareo, ka mividiana ho anareo.10 Fa raha mbola lasa nividy izy, dia tonga ny mpampakatra, ary izay efa niomana dia niara-niditra taminy tao amin’ ny fampakaram-bady, ary dia narindrina ny varavarana.11 Ary rehefa afaka izany, dia tonga kosa ireo virijina teo ka nanao hoe Tompoko, tompoko, vohay izahay.12 Fa izy namaly hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy fantatro ianareo.13 Koa amin’ izany miambena ianareo, fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.
MATIO 25 :1-13

AZA  HO ISAN’NY ADALA

Fanoharana efa diso  fanatry  ny maro loatra  ny amin’ny virjina folo. Fampitandremana mba  tsy  ho tahaka  ireo virjina  dimy adala no hafatry  ny Tompo  amintsika. Aza ho isan’izay  mpino  adala fa:

1-Mivonona mandrakariva  amin’ny fiavian’ny Tompo

Tsy tantara tahaka ny hiavian’ny mpampaka-bady  ny hiavian’ny Tompo. Tsy  mba manavaka ny  Tompo. Samy tiany  hanam-pifaliana  ao  amin’ny fanjakany  avokoa  ny olona rehetra. Miankina  amin’ny fiomanana sy ny fahavononan’ny tsirairay kosa anefa ny ananany  anjara  amin’izany  na tsia. Endriky  ny tsy fahalavorarian’ny fiomanana ny tsy fahampian’ny solika teo  amin’ireo  dimy adala (and 3).

2-Aza misaraka amin’ny Tenin’ Andriamanitra

Ny lesoka  teo  amin’ireo  virijina dimy adala dia ny tsy  fahampian’ny solika iandrasana  ny fiavian’ny mpampakatra  sy hanazavana  ny alina. Nanampy trotraka izany ny tsy  fiandrasany ny toro-hevitry ny mpampakatra. Mpino miandry  ny fiavian’ny Tompo  isika  ka mila  manana hatrany  ny Tenin’ Andriamanitra izay fanilon’ny  tongontsika sy fanazavana ny làlantsika (Sal 119 :105). Mihalevona ny finoana  ary tsy ampy iandrasana  ny fiavian’ny Tompo raha toa ka tsy  tezaina  sy  hampitomboina amin’ny alalan’ny fiainana ny Tenin’ Andriamanitra .

Fanontaniana:

Mahavaky Baiboly isanandro  ve ianao?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !