MOFON’AINA TALATA 07 SEPTAMBRA 2021

37 Ary raha nandre izany ny olona, dia voatsindrona tam-pony ka nanao tamin’ i Petera sy ny Apostoly namany hoe: Ry rahalahy, inona no hataonay?38 Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy hianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary hianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina;39 fa ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an’ izay rehetra lavitra, na iza na iza hantsoin’ i Jehovah Andriamanitsika hanatona Azy.
ASAN’NY APOSTOLY 2 :37-39

NY MAMPIAVAKA NY FANOMPOAN’NY APOSTOLY

1-Ny toriteniny manasongadina an’i Jesoa Kristy

Tsy mitsitsy fitenenana ny Apostoly raha nanambara fa ireo olona mifanatrika aminy ireo mihitsy ilay nanombo an’i Jesoa tamin’ny hazo fijaliana. Nahatsiaro tena ireo mpihaino ka voatsindtona tampony (and 37).

2-Ny toriteniny mitaona olona hibebaka

Rehefa nanontany tena ny olona : « ry rahalahy , inona no hataonay ? » Dia mazava ny valiteny nomena azy ireo : « mibebaha ». Notaomin’i Petera ny olona hiova famindra, hiala amin’ny ratsy fanaony, ho tonga olom-baovao.

3-Ny fanentanana ny olona handray sakramenta

« Aoka hatao batisa amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy ianareo rehetra ». Iray amin’ireo sakramenta tokony horaisin’ny vahoakan’Andriamanitra ny batisa. Manana adidy hanentana ny olona hiroso amin’izany isika mpitory.

4-Fitarihana ny olona handray famelan-keloka

« …mba hahazo famelana ny helokareo »(and38) . Ankoatry ny ny fifantohana amin’ny toriteny, ny fibebahana dia sitraky ny apostolyny hisitrahan’ny olona famelankeloka avy amin’ny Tompo.

5-Fampianarana momba ny Fanahy Masina

Mandini-tena noho ny fihainoana toriteny, mibebaka, mandray famelankeloka, misitraka ny Fanahy Masina .Izany no fanompoana hitarihan’ny Apostoly ny olona.

6-Fanehoana ny fitiavan’nyTompo ho an’ny rehetra

Ho an’ny rehetra ny teny fikasana. Tsy manavaka na iza na iza ny Tompo . Miantso ny rehetra hanatona Azy (and 39)

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.