Mofon’aina – ALAROBIA 09 AOGOSITRA 2017

6 Fa izaho dia efa hatolotra sahady, ary efa mby akaiky ny andro fialàko.7 Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahana aho; nitahiry ny finoana aho;8 hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satro-boninahitry ny fahamarinana, izay homen’ ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy amin’ izay andro izay; ary tsy ho ahy ihany, fa ho an’ izay rehetra tia ny fisehoany koa.
2 TIMOTY 4 :6-8

Fijoroana ho vavolombelona alohan’ny hahafatesan’i Paoly no hita eto. Maneho  vanim-potoana telo samihafa izany .

1-Ankehitriny, fiainam-panolorantena (and 6)

Vonona  tanteraka ny Apostoly Paoly ny hitsena ny didim-pitsarana hanamelohana azy ho faty  tsy ho  ela. Afapo  tamin’ny fanompoany izy, ka dia manolotra ny ainy  eo amin’ Andriamanitra. Tsaroana i Jesoa Kristy izay nalainy tahaka, izay  toy  ny fanatitra  atolotra  teo  ambony hazo fijaliana. Fanolorantena  toy  inona  kosa  no maha-vonona  anao ankehitriny ?

2-Ny lasa, fiainam-panompoana (and 7)

Tsy  nanenenany ny lasany. Miaramila , atleta , mpiambina  no  sary  telo  nanehoan’i Paoly  ny fatokiany  tsy niova  an’i Jesoa . Ny fiainany mihitsy  no ambara fa tanteraka. Ny herin’ny  Tompo irery  ihany  no nahafahany  nanao izany. « Hevero  ka lazao  , lazao  izay mba vitanao »(FFPM 353). Hoy i Jesoa : « vita »teo ambony hazo fijaliana.

3-Ny ho avy, fiainam-pandresena (and 8)

Efa  matoky  ny fandreseny i Paoly. Valimpitia atolotr’ Andriamanitra ho an’izay matoky azy ny satroboninahitry  ny fahamarinana, dia ilay  fiainana mandrakizay. Tapitra  ny adin’ny mpino   ary mibata fandresena miezinezina izy  rehefa miseho  Ilay Jesoa Kristy Mpitsara marina (Rom 8 :18,21). Miombona fandresena  avokoa  ny  mpino   mahatoky rehetra.

Fanontaniana:

Raha ho faty ianao , inona  no teny azonao  ambara  hijoroanao vavolombelona ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !