Mofon’aina – TALATA 08 AOGOSITRA 2017

7 Dia nahiratra ny mason’ izy mivady, ka fantany fa mitanjaka izy; ary nanjaitra ravin’ aviavy izy, ka nataony sikina ho azy.8 Ary nandre an’ i Jehovah Andriamanitra nitsangantsangana teo amin’ ny saha izy, rehefa ho hariva ny andro; ary ralehilahy sy ny vadiny niery ny tavan’ i Jehovah Andriamanitra tao anaty hazo tao amin’ ny saha.9 Ary Jehovah Andriamanitra dia niantso an-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Aiza moa hianao?10 Dia hoy izy: Nandre Anao tao amin’ ny saha aho; dia natahotra aho, satria mitanjaka, ka dia niery.
GENESISY 3 :7-10

NY FAHALAVOANA

Ny fahalavoana dia fahatapahan’ny fifandraisan’ireo  olombelona tamin’ Andriamanitra , nateraky ny tsy fankatoavana  ny baikon’ Andriamanitra .

1-Tsy  mahavonjy  tena ny olombelona

Dia nahiratra ny masony, fantany fa nitanjaka izy. Tsy azo ampitahaina amin’ny fitanjahana eo amin’ny 2 :25 ity. Nanjary fanamelohana ny fahafantarana  ny  tsara sy ny fahitana  ny ratsy. Tahotra fa tsy  fanenenana no navalin’i Adama (and 9-10). Vao mainka  aza niezaka nanalavitra an’ Andriamanitra tamin’ny fierena no natao .Tsarovy anefa, « sambatra izay miambina ka miaro  ny fitafiany, fandrao  mandeha mitanjaka izy, ka hita ny fahamenarany » (Apo 16 :15)

2-Andriamanitra manatona

Na dia eo aza izay rehetra mety ho endriky ny fahalemen’olombelona, tsy nanalavitra azy mihitsy Andriamanitra. Indro  Andriamanitra, manatona, manakaiky, miantso  ary nanontany hoe: « aiza moa ianao? ». Feo malefaka, tsy mibedy, vonona handray sy hamindra fo, mitory  fahatsarana ary miseho  mivantana  amin’ny olona. Efa  fomban’ Andriamanitra hatramin’ny fahariana mihitsy ity  manatona antsika ity. Ilay Zanak’ Andriamanitra no nanatona antsika olombelona mpanota.

Fanontaniana:

Tanisao  ireo endrik’ Andriamanitra ierentsika na hiafenantsika ny tavan’ Andriamanitra ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !