MOFON’AINA TALATA 08 JONA 2021

8 Koa na dia manana fahasahiana be ao amin’ i Kristy handidy anao amin’ izay mendrika aza aho,9 nefa noho ny fitiavana, izaho Paoly, izay efa anti-panahy sady mpifatotra an’ i Kristy Jesoa koa ankehitriny, dia miangavy aminao.10 Eny, miangavy aminao aho ny amin’ ny zanako, izay naterako teto amin’ ny fifatorako, dia Onesimosy,11 ilay tsy nahasoa anao fahiny, nefa ankehitriny mahasoa antsika, dia ianao sy izaho;12 izay nampodiko indray, dia ilay sombin’ ny aiko;13 saiky nohazoniko tatỳ amiko izy hanompo ahy hisolo anao eto amin’ ny fifatorako noho ny Filazantsara;14 nefa raha tsy nahalala izay hevitrao aho aloha, dia tsy ta-hanao na inona na inona, mba tsy ho toy ny amin’ ny fanerena ny soa ataonao, fa amin’ ny sitrapo.15 Fa izany angaha no nialany vetivety, dia ny mba hanananao azy mandrakizay,16 tsy toy ny andevo intsony anefa, fa efa mihoatra noho ny andevo, dia rahalahy malala, indrindra fa ho ahy, mainka fa ho anao, na amin’ ny nofo, na amin’ ny Tompo.17 Koa raha ataonao ho namanao aho, dia raiso toa ahy izy.18 Nefa raha nanao izay tsy marina taminao izy, na mitrosa, dia ataovy ho ahy izany;19 izaho Paoly no manoratra izany amin’ ny tanako, izaho no handoa izany – nefa tsy lazaiko aminao fa mitrosa ny tenanao amiko aza ianao.20 Eny, ry rahalahy, aoka hanana fifaliana avy aminao ao amin’ ny Tompo aho; velombelomy ny foko ao amin’ i Kristy.
FILEMONA 8-20

PAOLY : ZANAK’ANDRIAMANITRA MPAMPIHAVANA

Fampihavanana an’i Filemona sy Onesimosy no votoatin’ny hafatra ao amin’ny Epistily ho an’ i Filemona. Hita amin’ny asa sorany ho an’i Filemona ny maha- mpanompon’Andriamanitra an’i Paoly, eny ny maha- zanak’Andriamanitra azy . Ny zanak’Andriamanitra dia:

1- Mitory filazantsara ho enti-manova ny hafa

Noho ny Filazantsara izay notorian’i Paoly tamin’ny Onesimosy dia tonga niova fo izy. Tsy nahasoa an’i Filemona izy tany aloha, fa noho ny Filazantsara izay notoriana taminy dia tonga rahalahy malala izy. Tonga mahasoa izy araka ny anarany. Anisan’izay nafana fo tamin’ny fanompoana an’i Paoly izay, tena nikarakara an’i Paoly. Hita avy amin’izao fa tena manova olona tokoa ny Filazantsara rehefa tena toriana sy ambara.

2- Manolo-tena handoa ny trosan’ny hafa

Mba hahatanteraka araka ny tokony ho izy ny fampihavanana azy mirahalahy dia noraisin’i Paoly ho trosany ny an’i Onesimosy. Nanahaka an’i Jesoa Paoly teto. Nandray ny trosan’ny olona rehetra, ka nandoa izany tamin’ny alalan’ny Rany teo amin’ny hazo fijaliana. Mampianatra antsika Paoly fa azo atao ny manome izay azo omena ho enti-mahatanteraka, araka izay tokony ho izy ny fihavanana. Tsy voatery miandry izay tsy ho tonga isika, fa izay misy eo am-pelatànana dia azo atolotra hahatanteraka ny fampihavanana marina. Misy ezaka manokana takiana amin’izay vonona hampihavana ny hafa. Misy ezaka manokana takiana amin’izay vonona hampihavana ny olona rehetra ihany koa amin’Andriamanitra. Ianarana amin’i Jesoa kristy izany, Izy mantsy no nanome be indrindra. Izy no nanome ny sarobidy indrindra. Soa fianatra tamin’i Jesoa io.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.