Mofon’aina – TALATA 09 JANOARY 2018

29 Nony ampitso dia nahita an’ i Jesoa avy manatona azy Jaona, ka dia hoy izy: Indro ny Zanak’ ondrin’ Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’ izao tontolo izao!30 Izy Ilay nolazaiko hoe: Misy Lehilahy avy ao aoriako Izay efa tonga eo alohako, satria talohako Izy.31 Ary izaho tsy nahalala Azy; fa mba haseho amin’ ny Isiraely Izy, izany no nihaviako manao batisa amin’ ny rano.32 Ary Jaona nanambara ka nanao hoe: Izaho nahita ny Fanahy midina avy any an-danitra tahaka ny voromailala ka nitoetra teo amboniny.33 Ary izaho tsy nahalala Azy; fa Izay naniraka ahy hanao batisa amin’ ny rano no nilaza tamiko hoe: Izay ho hitanao idinan’ ny Fanahy sy itoerany, dia Izy no Mpanao batisa amin’ ny Fanahy Masina.34 Ary nahita aho, ka dia nanambara fa Izy no Zanak’ Andriamanitra.
JAONA 1 :29-34

HERIN’ ANDRIAMANITRA  MAMONJY  ANTSIKA I JESOA

1-Mpamonjy  araka ny filazan’ny Soratra Masina 

Tamin’ny fotoana nihaonan’i Jaona mpanao  batisa  tamin’i Jesoa  dia notondroin’i Jaona Izy , mba ho  fantatry  ny mpianany koa:  «  Indro  ny Zanakondrin’ Andriamanitra  izay manaisotra  ny fahotan’izao tontolo izao » . Zanakondrin’ Andriamanitra ? Sary roa  no ambara amin’izany   ao  amin’ny Soratra Masina : zanakondry  nanaiky  hijaly hamonjy   ny olona (Isaia  toko 52-53) sy ny zanakondrin’ny Paska  (Eks 12) izay  novonoina  mba hahazoana  manafaka  sy mamonjy   ny olona tamin’ny fanandevozana . Koa Mpamonjy  voalazan’ny Soratra masina i Jesoa. Fantaro  sy diniho ny Soratra Masina  dia ho fantatrao  marina  ny antom-pahatongavan’i Jesoa . Mahadiso hevitra  antsika ny tsy fahalalana  ny Soratra masina  ary atahorana   ho diso fandray  an’i Jesoa  koa isika  raha tsy  miezaka  hahalala  sy hamantatra ny Soratra Masina .

2-Andriamanitra  manatona  sy  miseho amin’ny olona

« Ary i Jaona  nahita  an’i Jesoa  avy nanatona  azy » (and29). I Jesoa nanatona  an’i Jaona. Andriamanitra   manatona  nyn olona   tokoa  ny  Andriamanintsika. Miavaka  noho ny andriamanitry ny fivavahan-tsamihafa  ny an’ny kristiana, fa tsy  mba Andriamanitra tadiavina na karohina fa manatona sy manakaiky  ny olona. Tsy  mba Andriamanitra misonanina  sy mitoetra  any amin’ny toerana avo  fotsiny Izy ; ka  tsy   maintsy    mankany   vao mihaona Aminy . Amin’izany  fombany sy toetrany  izany  no hanehoany  ny heriny sy ny fahefany  ary ny maha-Izy  Azy. Fantaro  izany   mba tsy hahadiso  finoana  anao  ka hahazoanao  miteny  hoe: « Fantatro  izay inoako »

Fanontaniana:

Inaona  avy ny fomba  hahalalantsika  marina an’i Jesoa ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !