MOFON’AINA TALATA 09 MARTSA 2021

1 Fa ny tenanareo ry rahalahy, dia mahalala fa tsy foana ny fidiranay taty aminareo; 2 fa rehefa nampahorina sy nisetrasetraina tany Filipy izahay teo aloha, tahaka ny fantatrareo ihany, dia sahy tao amin’Andriamanitray izahay hiteny taminareo ny filazantsaran’Andriamanitra, na dia be aza ny fanoherana. 3 Fa ny fananaranay dia tsy avy amin’ny fitaka, na ny fahalotoana, na ny soloky. 4 Fa tahaka ny nankasitrahan’Andriamanitra anay, ka notolorana ny filazantsara ho adidinay izahay, dia araka izany koa ny itenenanay, tsy toy ny mila sitraka amin’olona, fa amin’Andriamanitra, Izay mizaha toetra ny fonay. 5 Fa tsy nanao teny mandrobo akory izahay na oviana na oviana, tahaka ny fantatrareo ihany, na nihatsaravelatsihy hanafina fieremana (Andriamanitra no vavolombelona); 6 ary tsy nitady voninahitra tamin’olona izahay, na taminareo, na tamin’ny sasany, na dia nanam-pahefana hahavaky tratra aza izahay, araka izay mah’Apostolin’i Kristy anay. 7 Fa nalemy fanahy teo aminareo izahay, tahaka ny reny mitaiza ny zanany naterany, 8 dia toy izany no nahazoto anay, noho ny fitiavanay anareo indrindra, hanome anareo, tsy ny filazantsaran’Andriamanitra ihany, fa ny ainay koa aza, satria efa malalanay hianareo. 9 Fa tsaroanareo, ry rahalahy, ny fikelezanay aina sy ny fisasaranay; fa niasa andro aman-alina, mba tsy hahavaky tratra na dia olona iray akory taminareo aza, no nitorianay ny filazantsaran’Andriamanitra taminareo. 10 Hianareo no vavolombelona ary Andriamanitra koa fa masina sy marina ary tsy nanan-tsiny tokoa ny fitondrantenanay teo imasonareo izay mino, 11 toy ny fantatrareo fa tahaka ny ray amin’ny zanaka ny namporisihanay sy nampiononanay anareo isam-batana sy nananaranay mafy anareo, 12 mba handehananareo miendrika an’Andriamanitra, Izay miantso anareo ho amin’ny fanjakany sy ny voninahiny.
1 TESALONIANA 2 : 1-12

NY MPITORY FILAZANTSARA

Fiangonana sy Kristianina nahazo sitraka manokana tamin’i Paoly ny tao Tesalonia. Nahazo sitraka noho izy ireo nandray tsara ny filazantsara sy ny finoana Kristianina. Eto amin’izao mofonaina izao Paoly dia mampahafantatra fa ny mpitory filazantsara dia

  1. Miasa andro aman’alina (and 9)

« Fa tsaroanareo, ry rahalahy, ny fikelezanay aina sy ny fisasaranay; fa niasa andro aman-alina, mba tsy hahavaky tratra na dia olona iray akory taminareo aza, no nitorianay ny filazantsaran’Andriamanitra taminareo »

Paoly apostoly dia niezaka ho modely halain-tahaka tamin’ny asa fitoriana ny filazantsara. Nataony ho modely izy teo amin’ny fomba fiasa, indrindra raha nitory filazantsara izy. Nanao asa-tànana izy mba hanana fidiram-bola hanampy azy amin’ny asa fitoriana ny filazantsara. Io asa nataony io dia nokendreny manokana hamatsy azy amin’ny asan’Andriamanitra tanterahiny. Tsy nety tamin’ny Paoly mantsy ny nanome vesatra ho an’ny fiangonana sy ny Kristianina. Niezaka nizara maimaim-poana ny filazantsara rahateo izy. Mba ahafahana manao izany dia niasa andro aman’alina Paoly. Nikely aina, nanao ezaka manokana izy. Azo atao tsara ny manana anton’asa mazava mba ho fanampiana ny tena amin’ny asa fitoriana ny filazantsara.

Hay ny asa aman-draharaha antsika arak’izao dia nomen’Andriamanitra antsika mba hananantsika ny ho enti-manana amin’ny fitoriana ny filazantsara. Ataovy tsara ny asantsika arak’izany, mba ho ampy tsara ny ho enti-manana amin’ny fitoriana ny filazantsara.

  1. Mananatra sy manabe toy ny Ray (and 11,12)

« toy ny fantatrareo fa tahaka ny ray amin’ny zanaka ny namporisihanay sy nampiononanay anareo isam-batana sy nananaranay mafy anareo, 12 mba handehananareo miendrika an’Andriamanitra, Izay miantso anareo ho amin’ny fanjakany sy ny voninahiny »

Hery iray lehibe ho an’i Paoly ny nahafahany niasa ka nanohana ny asa fitoriana ny filazantsara nataony. Tonga afaka nananatra tsara ny Kristianina sy ny fiangonana mantsy izy tamin’izany. Ary nananatra azy toy ny fanaon’ny ray amin’ny zanaka. Ny hoe mananatra toy ny ray dia mandray roa : mananatra amin’ny fitiavana, mananatra tsy mena maso. Izao fananarana izao koa dia mikendry ny hananan’ny mino fitondran-tena mendrika ny filazantsara. Adidy sy andraikitr’izay mitory filazantsara izany.

Adidy maha-ray aman-dreny ny fitoriana ny filazantsara. Apetraky ny filazantsara amin’ny toeran’ny ray aman-dreny mpananatra ny mpitory filazantsara. Ary ny mahagaga dia eken’ny fiaraha-monina izany fahefana maha-ray aman-dreny izany. Isaorana ny Tompo nanome fahefana ny mpitory hanambara Azy, hananatra ny hafa amin’ny alalan’ny teniny.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.