MOFON’AINA TALATA 09 OKTOBRA 2018

14 Fa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Toy ny nisainako hahatonga loza aminareo tamin’ ny nampahatezeran’ ny razanareo Ahy, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, ka tsy nanenina Aho,15 dia ho toy izany kosa no hisainako hanisy soa an’ i Jerosalema sy ny taranak’ i Joda amin’ izao andro izao: aza matahotra hianareo.16 Izao no zavatra hataonareo: Samia miteny marina amin’ ny namany avy ianareo; mitsarà marina, eny, mitsarà hahatonga fiadanana ao am-bavahadinareo;17 ary aza misy mieritreritra ao am-ponareo hanisy ratsy ny namanareo ianareo, ary aza tia fianianan-tsy to; fa izany rehetra izany dia halako, hoy Jehovah.
ZAKARIA 8 : 14-17

ANDRIAMANITRA MANARINA NY FIAINAN’NY OLONY

1- Andriamanitra mampanantena fitahiana

Miova tanteraka eto ny Tenin’Andriamanitra ambarany amin’ny olony. Hoy ny voalaza : «toy ny nisainako», nisy fotoana naminavina, nanomana loza namelezana ny vahoakany Andriamanitra. Tena nihatra tokoa izany. Tanterahin’Andriamanitra ny Teniny. Ankehitriny dia indro Izy manomana fanarenana ny fiainan’ny olona ka na dia teo aza ny fahatezerany fahiny mihevitra kosa ny hanasoa, hanalotra fítahiana ho an’ny olony Izy: «hisainako hanisy soa an ‘i Jerosalema». Fanarenana miavaka no tanterahin’Andriamanitra araka izany. Ny anjaran’ny olona dia ny mino sy mandray izany fa izay tenenin’Andriamanitra dia tanterahiny noho ny fitiavany.

2- Andriamanitra mitaona ny olona hifankatia

Tsy mandeha ila ny fanarenana ataon’Andriamanitra. Mitaona ny olona ho amin’ny fandraisana andraikitra Izy. Manaramaso ny fiainan’ny olona Izy, takiany amin’izany ny hiveloman’ny olona amin’ny Teniny dia ny hiaina amin’ ny fifankatiavana izany: «samia miteny ny marina amin ‘ny namany avy…» (and.16, 17). Rehefa hampitoerina eo amin’ny fiaraha-monina misy ny mpino kristiana ny fahamarinana, ny fifankatiavana dia hiova ny fiainana, tanteraka ny fanarenana kasain’ Andriamanitra atao. Rariny sy hitsiny eo anatrehan’ Andriamanitra tokoa raha ny olona notiaviny no maneho fitiavana Azy amin’ny fankatoavana ny Teniny ka manao ny marina sy mitia ny mpiara-belona aminy.

Fanontaniana:
Tanisao ny dingana tsy maintsy arahina mba ahatanteraka ny fanasitranana ny firenena araka ny 2 Tant 7 : 14

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !