Mofon’aina – TALATA 10 APRILY 2018

10 Ny teny marina dia eo amin’ ny molotry ny mpanjaka, Ary tsy diso teny izy, raha mitsara.11 An’ i Jehovah ny fandanjana sy ny mizana marina, Avy aminy avokoa ireo vato rehetra an-kitapo.12 Fahavetavetana eo imason’ ny mpanjaka ny fanaovan-dratsy; Fa fahamarinana no iorenan’ ny seza fiandrianana.13 Sitraky ny mpanjaka ny molotra marina, Ary izay miteny mahitsy no tiany.14 Ny fahatezeran’ ny mpanjaka dia iraky ny fahafatesana. Fa ny olon-kendry mampionona izany.15 Amin’ ny fahamiramiranan’ ny tarehin’ ny mpanjaka dia misy fiainana, Ary ny fankasitrahany dia toy ny rahona amin’ ny fararano.16 Tsara ny mahazo fahendrena noho ny volamena, Ary tsara ny mahazo fahalalana noho ny volafotsy.
OHABOLANA 16: 10-16

NY MPANJAKA MANOLOTRA FIAINANA

Iraka solon’Andriamanitra teo amin’ny vahoaka ny mpanjaka mba hitondra fiainana ho azy ireo. Tsy ny mpanjaka rehetra anefa no afaka hitondra izany fa ny mpanjaka:

1- Milaza ny marina ihany

Marina Andriamanitra amin’ny fitondrany ny vahoakany. Tsy maintsy mampiseho izany fahamarinan’Andriamanitra izany koa ny mpanjaka amin’ny maha solotenan’Andriamanitra azy ka milaza ny marina amin’ny vahoakany (and 10a). Manana adidy hilaza ny marina amin’ny vahoaka ny mpitondra sy ny manam-pahefana rehetra raha te-hanome fiainana ho azy ireo. I Jesoa no ilay Mpanjaka manolotra fiainana ho antsika satria ny marina rehetra no ambarany amintsika. Fiteniny mazàna ny hoe: « Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa ». Ao amin’izany teniny izany no misy fiainana ho antsika.

2- Mitsara marina ihany

Andriamanitra no Mpitsara marina. Solotenan’ Andriamanitra hampiseho izany eo amin’ny vahoaka ny mpanjaka koa tsy maintsy mitsara araka ny fahamarinana izy mba hampisy filaminana, Manameloka izay nanao fahadisoana fa mamaly fitia kosa ireo izay hita fa mendrika sy mandeha amin’ny fahitsiana (and 10a-15). I Jesoa koa no Mpitsara marina (2 Tim 4 : 1).

Fanontaniana :

Inona avy no mety ho voka-dratsin’ny kobaka am-bava ataon’ny mpitondra?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !