Mofon’aina – Talata 10 janoary 2017

4 Fa mahitsy ny tenin’ i Jehovah, ary ny asany rehetra dia mahatoky avokoa.5 Tia fahamarinana sy rariny Izy; henika ny famindrampon’ i Jehovah ny tany.6 Ny tenin’ i Jehovah no nanaovana ny lanitra; ary ny fofonain’ ny vavany no nanaovana ny hamaroany rehetra.7 Mampiavosa ny rano ao an-dranomasina ho toy ny antontan-javatra Izy; mitahiry ny rano lalina ao an-trano fitehirizana Izy.8 Aoka hatahotra an’ i Jehovah ny tany rehetra; aoka hangovitra eo anatrehany ny mponina rehetra amin’ izao tontolo izao.9 Fa Izy no niteny dia ary izany; Izy no nandidy, dia nitoetra mafy izany.10 Jehovah mahafoana ny fisainan’ ny firenen-tsamy hafa; Mahatsinontsinona ny hevitry ny olona Izy.11 Ny fisainan’ i Jehovah maharitra mandrakizay, ny hevitry ny fony mahatratra ny taranaka fara mandimby.
SALAMO 33.4-11

« NY FISAINAN’I JEHOVAH MAHARITRA MANDRAKIZAY. NY HEVITRY NY FONY MAHATRATRA NY TARANAKA FARA MANDIMBY » (AND 11)

1-Mafy orina ny drafitrasam-pamonjeny

« Ny fisainan’i Jehovah maharitra mandrakizay ». Vina na drafitrasa sy tetikasa mikendry tanjona no tiana hambara amin’ny hoe: « fisainan’i Jehovah ». Tsy miova ary tsy lefin’ny fotoana na ny toerana izany, fa maharitra mandrakizay. Ny drafitrasan’ny Tompo dia ny hamonjy antsika sy ny taranantsika. Voalaza mazava ao amin’ny Baiboly mirakitra ny Soratra masina izany. Boky milaza ny drafitrasan’ Andriamanitra io. Koa raha mila ho kivy ianao momba ny ho avy dia raiso ny Baiboly dia ho hitanao ao fa mafy orina mandrakizay ny drafitrasam-pamonjena tanterahan’i Jesoa Kristy ho anao.

2-Mitohy tsy ho tapaka ny tetikasa ho an’ny taranaka

Io drafitrasam-pamonjena io dia notetehina mba hananan’ny taranaka rehetra mifandimby anjara. Izany no ambara amin’ny hoe: « Ny hevitry ny fony mahatratra ny taranaka fara mandimby ». Ny tetikasany no lazaina amin’ny hoe: hevitry ny fony. Samy tsy ho diso anjara ny taranantsika amin’ny ho avy, fa ampy mizara ho an’ny taranaka mifandimby mandrakizay ny fitiavany antsika ao amin’i Kristy. Izy ny mamonjy sy mahato ny teny fikasany ho an’ny taranaka. Koa aza manahy ny amin’izany.

Fanontaniana:

Inona kosa no anjara fitaizana ataontsika ho an’ny zanantsika sy ny taranantsika ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen !