MOFON’AINA TALATA 10 MARTSA 2020

Ary hatramin’izany andro izany dia nitoetra ela tany Kiriata-jearima ny fiaran’i Jehovah, dia roa-polo taona; ary ny taranak’Isiraely rehetra nalahelo an’i Jehovah 3 Ary hoy Samoela tamin’ny taranak’Isiraely rehetra: Raha miverina amin’i Jehovah amin’ny fonareo rehetra tokoa ary ianareo, dia ario hiala aminareo ny andriamani-kafa sy ireo Astarta, ka ampiomany ny fonareo ho an’i Jehovah, ary aoka Izy ihany no hotompoinareo, dia hamonjy anareo amin’ny tanan’ny Filistina Izy. 4 Dia nanary ireo Bala sy Astarta ny Zanak’Isiraely ka nanompo an’i Jehovah irery ihany.
1 SAMOELA 7 : 2-4

MIVERINA AMIN’I JEHOVAH AMIN’NY FO REHETRA

Ambaran’ny mpandinika maro fa ny fo no ivon’ny maha-olona. Ao no miainga ny faniriana rehetra, ao koa no ivon’ny fifandraisana amin’ny hafa. Ivon’ny fifandraisana amin’Andriamanitra. Ambaran’ny mpanoratra eto fa ela loatra ny fiaran’i Jehovah no tsy teo amin’ny Zanak’Isiraely. Midika izany fa efa ela no tsy nifandray tamin’Andriamanitra ny zanak’Isiraely. Noho io fifandraisana efa tapaka hatramin’ny ela io dia indro fa nalahelo an’Andriamanitra ny vahoaka. Rehefa hitan’i Samoela ny alahelon’ny Zanak’Isiraely dia notaminy hibebaka izy ireo. Ireto no hafatry ny tenin’Andriamanitra

  1. Mibebaka amin’ny fo rehetra (and 3)

« Raha miverina amin’i Jehovah amin’ny fonareo rehetra tokoa ary ianareo, dia ario hiala aminareo ny andriamani-kafa sy ireo Astarta, ka ampiomany ny fonareo ho an’i Jehovah »

Ny hoe miverina amin’Andriamanitra amin’ny fo rehetra dia tena fibebahana. Asain’i Samoela mibebaka amin’ny fo rehetra ny Zanak’Isiraely eto. Izany hoe tsy mamela ny fon’izy ireo hitoeran-javatra hafa ankoatra an’Andriamanitra. Asain’i Samoela misaraka amin’ny sampy ny Zanak’Isiraely, ary rehefa tafasaraka amin’ny sampy dia manomana ny fo hitoeran’Andriamanitra. Tsy afaka miditra ao am-pon’ny olona manompo sampy arak’izany Andriamanitra. Tsy omby an’Andriamanitra ny fon’ny olona mbola manana andriamanitra hafa hianteherana. Mamerina ny fitiavana an’Andriamanitra irery ihany ao am-po izany. Ka tsy misy andriamani-kafa omena toerana ao. Ny fibebahana amin’ny fo rehetra arak’izao dia tena famerenana ny fon’ny Zanak’Isiraely ho fitoerana hanjakan’Andriamanitra irery ihany. Raha ny marina tokoa mantsy, tsy manaiky hiara-mitoetra amin’andriamani-tsy izy ao am-pon’ny vahoakany ny Tompo. Na Izy manjaka tokana ao, na Izy tsy ao. Izany rahateo no tiany ambara raha niteny Izy hoe : « anaka, atolory Ahy ny fonao » (Oha 23, 26).

  1. Manompo amin’ny fo rehetra (and 3,4)

« ary aoka Izy ihany no hotompoinareo, dia hamonjy anareo amin’ny tanan’ny Filistina Izy. 4 Dia nanary ireo Bala sy Astarta ny Zanak’Isiraely ka nanompo an’i Jehovah irery ihany »

Ny fo tokoa rehefa lasan’ny Tompo dia tsy vitan’ny hoe hitoerany sy hanjakany fotsiny ihany. Izay manome ny fony ho an’ny Tompo dia manompo Azy amin’io fo io. Ny fo mantsy no toeran’ny fitiavana, koa izay tena tia an’Andriamanitra dia manompo Azy amin’ny fony, izany hoe amin’ny fitiavana. Rehefa nanontany an’i Petera Jesoa ny amin’ny fitiavany Azy, isaky ny namaly Petera fa tia an’i Jesoa dia nasain’i Jesoa naneho izany fitiavana izany amin’ny asa fanompoana : « fahano ary… andraso ary… fahano ary ny ondriko » (Jao 21 : 15-18). Ny fitiavana amin’ny fo rehetra dia mahatonga fanompoana amin’ny fo rehetra ihany koa. Miteraka andraikitra sy adidy mandrakariva ny tena fitiavana marina an’Andriamanitra. Azo atao tsara arak’izao ny maneho ho hita maso ny fitiavana an’Andriamanitra tsy hita maso. Ny fandraisana andraikitra, ny fanompoana, ny asa ho an’Andriamanitra no manaporofo amin’Andriamanitra ny fitiavana Azy marina amin’ny fo manontolo.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.