MOFON’AINA TALATA 10 NOVAMBRA 2020

Aoka hisikina ny valahanareo sy hirehitra ny jironareo; ary aoka ianareo ho tahaka ny olona izay miandry ny tompony, raha mody avy amin’ny fampakaram-bady izy, ka nony tonga sy mandondona izy, dia vohany miaraka amin’izay. Sambatra ny mpanompo izay ho hitan’ny tompony miambina, raha avy izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa hisikina ny tompony, dia hampipetraka azy hihinana, dia ho avy ka hanompo azy. Ary na avy amin’ny fiambenana faharoa amin’ny alina izy, na avy amin’ny fiambenana fahatelo, ka mahita toy izany, dia sambatra ireo mpanompo ireo. Ary fantaro izao, fa raha fantatry ny tompon-trano izay ora hihavian’ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hotamina. Dia miomàna koa ianareo; fa ho avy ny Zanak’olona amin’izay ora tsy ampoizinareo
LIOKA 12 : 35 – 40

KRISTIANINA MIANDRANDRA FAMONJENA, KRISTIANINA MIAMBINA

Jesoa dia nampanantena ny mpianany raha niala teto amin’izao tontolo izao hoe: « Aza malahelo ny fonareo; minoa an’Andriamanitra, ary minoa Ahy koa. Ao an-tranon’ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa ». — (Jaona 14 : 1-3). Miandry izany tena fampanantenan’i Jesoa izany isika. Ny mahafinaritra dia ny mahafantatra fa tsy maintsy hotanteraka izany na dia tsy fantatra hoe rahoviana aza. Koa ny hoe miambina dia

  1. Tsy variana eto amin’izao tontolo izao

Betsaka ny zavatra mahavariana eto amin’izao tontolo izao ka mahatonga ny Kristianina tsy hiambina. Be dia be izy ireo, ary foronina avokoa ary ny karazan-javatra eto amin’izao tontolo izao, atao mahafinaritra sy hahazoana fafinaretana hahavariana antsika. Tandremo anefa fa ny tanjon’ireny dia tsotra: ny hitaona anao ho variana ka hanadino ny tena zava-dehibe eo am-piandrasana an’i Jesoa.

  1. Mandresy ny torimaso

Hoy Paoly indray maka: « mifohaza ianao izay matory » (Efe 5 : 14). Fahavalo voalohany resen’ny mpiambina ny torimaso. Fahavalo tiana izy, indrindra ny miambina dia amin’ny alina no atao. Maro ny zavatra mampatory eto amin’izao tontolo izao. Eo ny asa aman-draharaha, eo ny adidy samihafa, eo ny rehak’izao tontolo izao. Ataon’ny andrian’izao tontolo izao mafy ny fiainana eto amin’izao tontolo izao mba hahatonga antsika hovariana miady amin’ny fiainana ka hanadino ny miambina, be dia be no tafalatsaka ao anatin’ny torimason’ny fitadiavana sns…

Mila miaina toy ny olona rehetra tokoa ny Kristianina, mitady, miasa, sns fa tsy mahazo tafalatsaka ao anatin’ny torimaso mampanadino ny fiavian’i Kristy

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.