Mofon’aina – TALATA 10 OKTOBRA 2017

16 Ary ny mpanompon’ i Sankeriba mbola niteny ratsy an’ i Jehovah Andriamanitra sy Hezekia mpanompony,17 sady nanoratra taratasy hihaika an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, sy hiteny ratsy Azy ka nanao hoe: Tahaka ny tsy nahavonjen’ ireny andriamanitry ny firenena tany amin’ ny tany hafa ny olony tamin’ ny tànako no tsy hahavonjen’ ny Andriamanitr’ i Hezekia ny olony koa amin’ ny tànako.18 Dia niantso tamin’ ny feo mahery izy ka nanao teny Jiosy teo anatrehan’ ny mponina tany Jerosalema izay teny ambonin’ ny mànda hampitahorany sy hampangorohoroany azy mba hahafahany ny tanàna.19 Ary Andriamanitr’ i Jerosalema koa dia mba nolazainy toy ny filazàny ireny andriamanitry ny firenena tany amin’ ny tany hafa ireny, izay asan’ tànan’ olona ihany.20 Ary noho izany dia nivavaka Hezekia mpanjaka sy Isaia mpaminany, zanak’ i Amoza, ka nitaraina tamin’ ny lanitra.21 Ary Jehovah naniraka anjely izay nandringana ny lehilahy mahery rehetra sy ny mpanapaka ary ny komandy teo an-tobin’ ny mpanjakan’ i Asyria, ka dia lasa nody amin-kenatra Sankeriba. Ary nony niditra tao an-tranon’ ny andriamaniny izy, dia namono azy tao tamin’ ny sabatra ny zanany naterany.22 Toy izany no namonjen’ i Jehovah an’ i Hezekia sy ny mponina tany Jerosalema tamin’ ny tànan’ i Sankeriba, mpanjakan’ i Asyria, sy tamin’ ny tanan’ ny fahavalony rehetra; eny, niaro azy tamin’ ny manodidina rehetra Izy.23 Ary ny maro nitondra fanatitra ho an’ i Jehovah tany Jerosalema sy zava-tsoa ho an’ i Hezekia, mpanjakan’ ny Joda; dia nalaza teo imason’ ny firenena rehetra izy hatramin’ izany.
2 TANTARA 32 :16-23

Hezekia  dia Mpanjaka  nanao  izay  mahitsy   teo imason’ Andriamanitra (2 Tant 29 :2). Mpanjaka  nivavaka  izy  , ary  eto  dia hita  soritra  fa niara-nivavaka  tamin’i Isaia , Mpaminany  izy mba hamonjen’ Andriamanitra  ny  firenena  tsy  ho resin’ny fahavalony . Namaly  ny vavak’izy ireo  Andriamanitra . Izany   no herin’ny vavaka rehefa:

1-Resy lahatra ny  mpitondra fanjakana 

Mba hiadanan’ny  vahoaka  sady hisian’ny filaminan’ny tanàna dia tsy  maintsy  ny  mpitondra aloha no resy lahatra  hivavaka amin’ Andriamanitra. Koa  na misy  mihaika ny Anaran’ Andriamanitra   aza dia tsy  mihemotra  amin’ny fivavahany izy. Mmampirisika ny mpanompoko  mahatoky  hifikitra  amin’i Jesoa  Kristy  ny fanenjehana sy ny fanaratsiana Azy ankehitriny. Mahomby   ihany   koa ny  fisian’ny fiaraha-mivavaky  ny  samy resy lahatra  eo  amin’ny fanoherana ny fahavalon’ny  Filazantsara. Aoka ho  resy lahatra  isika fa  tsy  misy  famonjena  afa-tsy  ao amin’i Jesoa Kristy  irery ihany. Izy   no Mpamonjy  izao tontolo  izao.

2-Mijoro  vavolombelona  ny fiangonana

Ny  Mpaminany  amin’ny  andro  ankehitriny dia ny  fiangonana. Vonona  mandrakariva hitondra  ny hafatry ny Tompo ny  fiangonana  tahaka an’i Isaia Mpaminany  (2 Mpanj 19 :2-7), maneho  ny  fandraisana andraikitry ny  fiangonana  amin’ny loza  manjo  ny fireneny  izany .Rehefa  mijoro vavolombelon’ny  Tompo  ny fiangonana  dia miasa  eo  amin’y tanàna  misy azy tokoa  ny  Tompo , mamonjy ny vahoaka rehetra . Hankasitrahan’ Andriamanitra  ny vavaky  ny  mpitondra sy ny fiangonana ho  an’ny firenena.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !