MOFON’AINA TALATA 11 DESAMBRA 2018

1 Ary hiteny ianao amin’ izany andro izany hoe: Hidera Anao aho, Jehovah ô; Fa na dia tezitra tamiko aza Ianao, dia afaka ny fahatezeranao, ka mampionona ahy Ianao.2 Indro, Andriamanitra no famonjena ahy; dia hatoky aho, fa tsy mba hatahotra; Fa Jehovah Tompo no heriko sy fidèrako, fa efa famonjena ahy Izy.3 Koa amin’ ny fifaliana no hantsakanareo rano amin’ ny loharanom-pamonjena.4 Ary hiteny hianao amin’ izany andro izany ka hanao hoe: Miderà an’ i Jehovah, miantsoa ny anarany, ampahafantaro any amin’ ny firenena ny asany. Ampahatsiarovy fa efa misandratra ny anarany.5 Mankalazà an’ i Jehovah, fa asa lehibe no nataony; Ary aoka ho fantatra any amin’ ny tany rehetra izany.6 Miantsoa mafy sy mihobia, ry mponina any Ziona; Fa lehibe ao afovoanao ny Iray Masin’ ny Isiraely.
ISAIA 12 : 1-6

 Ankalazaina amin’ny alalan’ny hira fiderana an’ Andriamanitra ny fiverenanana avy any am-pahababoana. Indroa miverina eto ny teny hoe : « ary hiteny ianao » and 1a ; 4a:

1- Izay nataon’nv Tompo tamiko (and 1 -3)

Ny voalohany amin’ny teny hoe «ary hiteny ianao»( and. 1a), dia manambara ny fiderana nataon’ny Tompo tamiko. Andriamanitra irery ihany no anton’izany, satria Izy mamindra fo, mampahery, mamonjy ary manala ny tahotra rehetra. Fifaliana tsy manam-paharoa no sitrahan’izay manandrana amin’Ilay loharanom-pamonjena. Mampahatsiaro ny fanafahana hetahetan’ireo razany tany an’efitra I Isaia. Nambaran’i Jesoa mivantana fa « ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay » (Jao 4 : 14b). Fijoroana ho vavolombelona lehibe hanambara ny famonjena azony no adidy sady tombontsoantsika mpino.

2- Hanambara ny asany lehibe (and 4 – 6)

Ny faharoa amin’ny teny hoe « ary hiteny ianao » (and 4a), kosa raha ny teny fototra no jerena dia midika hoe « hiteny ianareo ». Ny vahoaka voavonjy rehetra no hanambara ny asam-pamonjeny lehibe. Naverimberin’ny mpanao Salamo matetika ireto andininy ireto (Sal 118 :21, 14 ; 98 :1). Ny hany iraka manokana, tainin’ny vahoaka afaka dia ny hankalaza ny anaran’Andriamanitra sy hanambara Azy any amin’izao tontolo izao. Izy no hery ho an’ny vahoakany. Aoka ho fantatr’izao tontolo izao, fa Andriamanitra Lehibe, miasa ary miavaka indrindra noho ny fahamasinany Izy.

Fanontaniana:
Inona no vontoatin’ny hira tsy afaka am-bavan’ny maro rehefa mihira izy? Ary ny anao manokana?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra !