MOFON’AINA TALATA 11 MAY 2021

1 Ary izao no fara-teny nataon’ i Davida: hoy Davida, zanak’ i Jese, dia ny lehilahy izay voasandratra ho ambony, Ilay voahosotry ny Andriamanitr’ i Jakoba sady mpanao fihirana mahafinaritra amin’ ny Isiraely:2 Ny Fanahin’ i Jehovah no mampiteny ahy, ary ny teniny no eo amin’ ny lelako;3 Andriamanitry ny Isiraely manao hoe, eny, ny Vatolampin’ ny Isiraely miteny amiko hoe: Indro ny Mpanapaka ny olona; Marina Izy sady manapaka amin’ ny fahatahorana an’ Andriamanitra;4 Ary izany dia toy ny fahazavan’ ny maraina, raha miposaka ny masoandro, dia ilay maraina tsy misy rahona iny; Ary ny ahitra manorobona amin’ ny tany noho ny hain’ andro manarakaraka ny ranonorana.5 Ary tsy toy izany indrindra amin’ Andriamanitra va ny taranako? Fa fanekena mandrakizay no nataony tamiko, Voalamina amin’ ny zavatra rehetra sady voatandrina; Fa ny famonjena ahy rehetra sy ny iriko rehetra, moa tsy hampitsimohiny va? 6 Fa ny tena ratsy fanahy rehetra kosa dia tahaka ny tsilo ariana, Fa tsy azo raisin’ ny tànana izy;7 Ary ny olona izay mikasika azy Dia tsy maintsy mitondra vy sy zaran-defona; Ary hodorana amin’ ny afo avokoa amin’ izay itoerany ireny.
2 SAMOELA 23 :1-7

NY MAMPIAVAKA NY OLOM-BOAHOSOTRA

Ny olom-boahosotra dia itoeran’ny Fanahin’Andriamanitra . Anisan’ireny i Davida mpanjaka . Hita miharihary amin’ity tononkira ity ny mampiavaka azy :

1-Ny Fanahin’ny Tompo no mampiteny azy

« Ny Fanahin’i Jehovah no mampiteny ahy , ary ny teniny no eo amin’ny lelako » (and2) . Mampiseho fanetretena lehibe eo anatrehan’Andriamanitra sy ny vahoakan’Israely izany . Na dia nanana izay fahefana sy izay heverina ho fahamboniana aza izy dia tsy nentiny nirehareha izany, fa nanehoany kosa ny halehiben’ny famindrampon’Andriamanitra taminy sy amin’ny taranany mifandomby. Aoka tsy alaim-panahy hirehareha isika raha nahavita nitoriteny sy nahataona olona maro ho an’ny Tompo. Andriamanitra no aoka hisaorana sy omem-bonnahitra fa ny Fanahiny izay nomeny antsika no nahafahana nanao ny asany . Raha tsy izany, fanahy inona no mampiteny antsika ?

2-Ny Tompo no mpiaro azy (and3)

Na dia nofidin’Andriamanitra sy nitoeran’ny Fanahiny aza izy dia nanam-pahavalo. matetika izy no efa tra-doza sy efa saika namoy ny ainy noho ny nafitsoky ny Filistina , ny nataon’i Saoly , i Absaloma sns… Ambarany eto amin’ity tononkira ity fa ny fifikirany tamin’Andriamanitra sy ny fanarahany ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fanarahany ny sitrapon’Andriamanitra no niantoka ny fiarovan’Andriamanitra azy sy ny taranany mifandimby. « Ny mpanjaka izay mifehy ny olona amim-pahamarinana sy mitondra azy am-panajana an’Andriamanitra dia toy ny fahazavan’ny maraina raha miposaka ny masoandro … » (and 3, 4). Fa ny ratsy fanahy kosa dia hofaizin’Andriamanitra sy hopotehiny (and 6,7).

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra .