MOFON’AINA TALATA 11 SEPTAMBRA 2018

12 Fa aiza kosa no hahitana ny fahendrena? ary aiza no fitoeran’ ny fahalalana?13 Tsy misy zanak’ olombelona mahalala ny vidiny, ary tsy hita eo amin’ ny tanin’ ny velona izy.14 Hoy ny lalina: Tsy ato anatiko izy; Ary, tsy ato amiko izy, hoy ny ranomasina.15 Ny volamena tsara tsy mahatakalo azy, ary ny volafotsy tsy azo lanjaina ho vidiny;16 Ny volamena avy any Ofira tsy ampy ho tombany, na ny beryla saro-bidy sy ny safira aza.17 Ny volamena sy ny fitaratra tsy azo ampitahaina aminy, ary tsy azo takalozana firavaka tena volamena izy.18 Tsy tokony hotsaroana akory ny voahangy sy ny vato krystaly, fa ny fahazoana fahendrena dia mihoatra noho ny voahangy.19 Ny topaza avy any Etiopia dia tsy azo ampitahaina aminy, Ary tsy mahatakalo azy ny tena volamena tsara.
JOBA 28 :12-19

TOVOZY AO  AMIN’ ANDRIAMANITRA NY FAHENDRENA

« Tsy misy zanak’olombelona mahalala ny vIdiny  ary tsy hita eo amin’ny tanin’ny velona izy » (and 13b)

Ny fahendrena no ambara  amin’izany. Ao  amin’ Andriamanitra irery ihany  no ahitana fahendrena  fa tsy ety an-tany. Fahendrena hafa  no ananan’ny olona, na dia manana izany aza izy. Izay miombona sy tsara fifandraisana amin’ny Tompo ihany  no manana ny tena fahendrena. Inona moa ny fahendrena? Fahaiza-mikatsaka fiainana izany. Tsy  fiainana ho an’ny tena ihany fa ho an’ny hafa. I Jesoa Kristy  no nampiseho miharihary izany  fikatsaham-piainana  ho an’ny hafa izany, ka Izy irery no hery  sy fahendren’Andriamanitra (1 Kor 1 :24).

Izay manam-pahendrena dia hifady ny  kolikoly, satria mamotika ny hafa izany, fa manamarika ny fitiavan-tena ka fanetriben’ny fiaraha-monina. Ny olona te-hanambe vetivety, tsy te- hisasatra no resin-kolikoly . Ny  olona tsy te-hanompo ny hafa  amin’ny andraikitra  omen’ny Tompo azy,fa mila tamby vao mihetsika. Olona te-hotompoina izany, ary tsy nandray fianarana tao amin’i Kristy, Ilay tonga mba hanompo, nefa tsy nitady tamby. Raiso ny fahendrena ary tano , fa tovozin-tsy ritra ao amin’ny Tenin’ Andriamanitra izany, dia ho afaka hiady  amin’ny kolikoly isika mpino kristiana. Aza adinoina fa ny harena azo  amin’ny kolikoly dia mahafatra-po  fa tsy mahavita taona, ary toy ny  manidina entin-drivotra sy toa harena tehirizina an-kitapo loaka(vakio Joba 27.17-19), fa izay manao ny sitrapon’ Andriamanitra no maharitra mandfrakizay.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !