Mofon’aina – TALATA 12 DESAMBRA 2017

12 Ary hoy Mosesy tamin’ i Jehovah: Indro fa Ianao milaza amiko hoe: Ento miakatra ity firenena ity, ary Ianao tsy mbola nampahafantatra ahy izay hirahinao hiaraka amiko; kanefa Ianao efa nilaza hoe: Mahalala anao tokoa Aho, ary efa nahita fitia eo imasoko koa hianao.13 Koa ankehitriny, raha nahita fitia eo imasonao aho, dia ampahafantaro ny làlanao hahalalako Anao, mba hahitako fitia eo imasonao; ary hevero fa olonao ity firenena ity.14 Dia hoy Izy: Ny Tavako no handeha, dia hanome anao fitsaharana Aho.15 Fa hoy Mosesy taminy: Raha tsy handeha ny Tavanao, dia aza mitondra anay hiakatra hiala atỳ.16 Fa inona anefa no hahafantarana fa nahita fitia eo imasonao izaho sy ny olonao? moa tsy amin’ ny handehananao miaraka aminay va? dia ho voavaka amin’ ny firenena rehetra ambonin’ ny tany izahay, dia izaho sy ny olonao.17 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Izao zavatra nolazainao izao dia hataoko koa; fa nahita fitia eo imasoko ianao, ary mahalala anao tokoa Aho.18 Ary hoy Mosesy: Mba ampahitao ny voninahitrao aho.19 Fa hoy kosa Jehovah: Izaho hampandalo ny fahatsarako rehetra eo anatrehanao ka hanonona ny anaran’ i Jehovah eo anatrehanao; fa hiantra izay hiantrako Aho, ary hamindra fo amin’ izay hamindrako fo.20 Ary hoy koa Izy: Tsy mahazo mahita ny tavako ianao; fa tsy misy olona mahita Ahy ka ho velona.21 Dia hoy Jehovah: Indro, misy fitoerana eto anilako; dia hijanona eo ambonin’ ny harambato ianao;22 koa raha mandalo ny voninahitro, dia hataoko eo an-tsefaky ny harambato hianao, ka hosaronako ny tanako ianao mandra-pandaloko.23 Dia hanaisotra ny tanako Aho, ka hahita ny vohoko ianao; fa ny tavako tsy ho hita.
EKSODOSY 33 :12-23

Tahaka  ny fihaonan’ny  mpisakaiza   no nihaonan’ Andriamanitra  sy i Mosesy tao  amin’ny tranolay fihaonana, ka nanomanan’ Andriamanitra ny Zanak’ Israely hiakatra  ho any  amin’ny tany Kanana. Nambaran’ Andriamanitra  tamin’izany  ny toky omeny ny vahoakany.

1-Homba  azy tokoa  ny Tompo  (and 12-17)

« Ny tavako  no handeha »  (and 14), hoy ny Tompo. Manambara izany  fa ny  maha-Izy  ny  Tompo   mihitsy  no homba  sy hitondra hiakatra  ho any Kanana. Andriamanitra manatrika  ny vahoakany  mantsy  Izy. Hisongadina  amin’izany   ny fifandraisana  lalimpaka  sy ny fifamatorana  lalina  eo  amin’izy ireo  satra  nahita fitia  teo imasony  izy ireo  rehefa  avy niaiky  ny helony (and 1-6) .Vonona  hatrany  i Jesoa Kristy  hifandray  amintsika  raha  miaiky  ny fahotantsika  isika .

2-Handray  ny fahatsarana  rehetra (and 18-23)

« Izaho   hampandalo  ny fahatsarako  rehetra  eo  anatrehanao » (and 19a). Mitady hahita an’ Andriamanitra i Mosesy, nefa  nambara  fa tsy afaka  mahita  izany mihitsy  izy  raha tsy amin’ny alalan’ny asan’ny Tompo  na ny voninahiny ihany. Io  asa na voninahitr’ Andriamanitra io no  hanolorany  ny fahatsarany  rehetra : hanonona ny Anarany, hiantra, hamindra fo…( and 19 ). Tombotsoa  manokana  no atolotr’ Andriamanitra   izay manaiky    Azy. Marina  hatrany izany rehefa miverina  mandinika ny  fahafoizany hatramin’ny zanany lahitokana  sy ny zavatra  rehetra ho antsika isika.

Fanontaniana :

Ankehitriny, inona  no efa  hitanao  endrika nisehoan’ny tavan’ Andriamanitra ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !