Mofon’aina – TALATA 12 JIONA 2018

10 Fa izao no lazain’ i Jehovah: Rehefa tapitra ny fito-polo taona ny amin’ i Babylona, dia hamangy anareo Aho, fa hotanterahiko aminareo ny teniko tsara, ka hampodiko ho amin’ ity tany ity ianareo.11 Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin’ ny farany.12 Ary hiantso Ahy ianareo ka handeha sy hivavaka Amiko, dia hihaino anareo Aho.13 Ary hitady Ahy ianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin’ ny fonareo rehetra.14 Eny, ho hitanareo Aho, hoy Jehovah; ary hampodiko avy amin’ ny fahababoana ianareo, ka hangoniko avy any amin’ ny firenena rehetra sy avy any amin’ ny tany rehetra izay nandroahako anareo, hoy Jehovah, ka hampodiko ho any amin’ ilay tany efa nanolorako anareo hobaboina.15 Fa hoy ianareo: Jehovah nanangana mpaminany ho anay eto Babylona.
JEREMIA 29:10‑15

ANDRIAMANITRA NO TOMPON’NY TANTARA

Nampitondra teny faminaniana ho an’ireo mponin’i Joda izay lasan-ko babo tany Babylona Jeremia mpaminany. Izany Tenin’Andriamanitra izany no milaza amintsika fa :

1- Mihevitra izay hahasoa ny olonv Izy.

Misy antony sy dikany avy amin’ny Tompo avokoa izay rehetra miseho amin’ny fiainan’ny vahoakany. Raha amin’ny fijery maha olona tsotra dia mety ho antony ara-politika, na ara-tafika, na ara-pitantanana, sns… no mahatonga ny fahababoana. Ambarany etoana fa Izy Tompo no nandefa ny vahoakany ho babo tany Babylona. Ary rehefa tapitra ny fitopolo taona vao hiova ny tantara (and. 10). Manana ny fotoanany ny Tompo. Ny fotoanan’ Andriamanitra dia sady tsy lasa aloha no tsy tratra aoriana. Eo am-pelatanany avokoa ny lasa sy ny ankehitriny ary ny hoavintsika rehetra. Hoy ny Teniny « Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, dia hevitra nahatonga fiadanana fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin’ny farany » (and. 11)

2-Izy no mpanafaka

Tsy ho aloha na aorian’io taona faha fitopolo io no hampodiana ny vahoaka avy amin’ny fahababoana ; Izy Tompo irery ihany no hahatanteraka izany, araka ny nambarany hoe : « …Ary hampodiko avy amin’ny fahababoana ianareo, ka hangoniko avy any amin’ny firenena rehetra sy avy any amin’ny tany rehetra izay nandroahako anareo… » (and. 14). Toy izany ny fahasoavan’Andriamanitra izay namonjena antsika tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy (Efe. 2 : 8).

Fanontaniana :

Inona no lesona azo tsoahina avy amin’ny fahantrana ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !