Mofon’aina – Talata 13 desambra 2016

4 Ary ny Levita sasany notendren’ i Davida ho mpanao fanompoam-pivavahana eo anatrehan’ ny fiaran’ i Jehovah mba hankalaza sy hisaotra ary hidera an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely:5 Asafa no lohany, ary Zakaria no nanarakaraka, dia Jeiela sy Semiramota sy Jehiela sy Matitia sy Eliaba sy Benaia sy Obed-edoma ary Jeiela no nitendry ny valiha sy ny lokanga; fa Asafa no nampaneno ny kipantsona;6 Benaia sy Jahaziela mpisorona kosa no mpitsoka ny trompetra mandrakariva eo anoloan’ ny fiaran’ ny faneken’ Andriamanitra.7 Tamin’ izay andro izay no voalohan’ ny nanendren’ i Davida an’ i Asafa sy ny rahalahiny hidera an’ i Jehovah.
1 TANTARA 16 :4-7

NY FANKALAZANA VOARINDRA

Ny fiaran’ny fanekena dia ilay vata nitoeran’ny takelaka nisy ny lalàna. Zava-masina indrindra teo amin’ Israely io fiaran’ny fanekena io noho izy manambara ny fanatrehan’ Andriamanitra. Rehefa nandray ny fanjakana i Davida dia ny hampiditra io fiaran’ny fanekena io tao Jerosalema no nataony laharam-pahamehana. Tafakatra soamantsara tao izany, ary izao dia faly ka miomana hankalaza an’ Andriamanitra ny Israely (and4). Nanendry ireo Levita ny Mpanjaka mba hitarika sy handrindra ny fanompoampivavahana

1-I Asafa no lohany ary i Zakaria no manaraka(5)

Isika dia mahalala tsara fa ilana mpitarika ny fanaovana ny asan’ Andriamanitra. Izany no antony hanaovana ireny fifidianana isan’ambaratonga ao amin’ny fiangonana ireny. Aoka samy hipetraka amin’ny anjara toerany avy ka hanao ny asany ny tomponandrakitra rehetra izay voafidy na voatendry. Tsy mety raha samy ho mpitarika ary tsy mety koa raha tsy misy mpitarika. I Jesoa dia nanao fandaminana toy izany tamin’ny mpianany.

2- I Jeiela sy namany no nitendry valiha sy ny lokanga(6)

Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fiderana an’ Andriamanitra ny hira. Ary raha vao miresaka hira dia tsy hadino ny zavamaneno. Aoka ho voarindra tsara sady ho voaomana toy izay hita eto ny mpitendry zavamaneno ao amin’ny fiangonana fa zavadehibe izany.

Fanontaniana:

Inona no anajara andraikitrao manditra ny fanompoampivavahana ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen !