Mofon’aina – TALATA 13 JONA 2017

1 Ary izaho koa, ry rahalahy, raha tonga tany aminareo, dia tsy tonga tamin’ ny teny sy fahendrena marevaka, raha nitory taminareo ny zava-miafina izay an’ Andriamanitra.2 Fa ninia tsy hahafantatra zavatra hafa teo aminareo aho, afa-tsy Jesoa Kristy, indrindra fa Izy voahombo tamin’ ny hazo fijaliana;3 ary izaho, raha tany aminareo, dia azon’ ny fahalemena sy ny fahatahorana ary ny fangovitana be;4 ary ny teniko sy ny toriteniko dia tsy tamin’ ny teny fahendrena mahataona, fa tamin’ ny fanehoan’ ny Fanahy sy ny hery,5 mba tsy hiorenan’ ny finoanareo amin’ ny fahendren’ ny olona, fa amin’ ny herin’ Andriamanitra ihany.
1 KORINTIANA 2 :1-5

NY FANAHY  MASINA  SY NY FITORIANTENY

1-Maneho  ny zava-miafina  ao amin’ Andriamanitra 

 I Jesoa Kristy voahombo  tamin’ny hazo fijaliana  ho  famonjena ny olombelona rehetra no vontoatin’ny Filazantsara notorian’ i Paoly  Apostoly. Nitarika  azy tamin’izany  asa fanompoana  nanirahana  azy izany Fanahy Masina. Niaina  tamin’ny fanetrentena  izy noho  izany  ka tsy  nampiasa  ny fahaizana  amam-pahendren’olombelona izy, teny tsotra mora raisina no nataony. Nialany ny fahaizana mandahan-teny, ny teny marevaka . Mitarika koa izany fa rehefa mitory ny Filazantsara dia ny tena vontoatin’ny hafatra, ny zava-miafina ao amin’ Andriamanitra  tokony   ho  fantary   ny olona  no  ambara . Ampy entina  miatrika izany ny Fanahy Masina.

2-Mampiorina  ny  finoana  ananan’ny mpino  

Ambaran’i Paoly Apostoly eto fa tsy  fampisehoana ny fahaizana  amam-pahalalana  na ny  fahendren’olombelona  ny fitorianteny nataony . Ny zava-dehibe  aminy dia ny hahatonga  ny olona mihaino azy handray marina  ny hafatra avy amin’ Andriamanitra  ka ho  tonga amin’ny finoana marina. Tsy miankina  tamin’ny fahendren’olombelona  izy , noho  izany  . Azo ambara fa malemy sy  tsinontsinona ny fahendren’olombelona ka dia ny herin’ Andriamanitra no hiankinany. Ny fahefana sy ny fahendrena avy amin’ Andriamanitra no nilainy mba hahatonga ny olona  ho  amin’ny  finoana  an’i Jesoa Kristy .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen