Mofon’aina – TALATA 14 AOGOSITRA 2018

12 Ny olona tena ratsy fanahy sy mpanao ratsy Dia ilay mandehandeha manao vava ratsy,13 Izay mami-maso sy manao famantarana amin’ ny tongony Ary manao baiko amin’ ny rantsan-tànany;14 Fahafetsena no ao am-pony, Mihevi-dratsy mandrakariva izy Sady mamafy ady.15 Ary noho izany dia ho avy tampoka kosa ny loza hanjo azy; Ho torotoro tampoka izy, ka tsy hisy fahasitranana.16 Izao enina izao no halan’ i Jehovah, Eny, fito no ataony ho fahavetavetana:17 Ny maso miavonavona, ny lela fandainga, Ary ny tanana mandatsa-drà marina,18 Ny fo mamoron-tsain-dratsy, Ny tongotra malaky mihazakazaka hanao ratsy,19 Ny mamoaka lainga ho vavolombelona tsy marina, Ary ny mamafy ady ao amin’ ny rahalahy.
OHABOLANA 6 :12-19

NY LOHARANON’NY HERISETRA SY NY VOKANY

1 – Ny olona tena ratsy fanahy (and 12-15)

Mandehandeha sy tsy mitsahatra mandainga sy mamitaka ny ratsy fanahy ary manaratsy amin’ny lelany sady feno hafetsena. Fitaka ny asany sady manana paikam-pifandraisana amin’ny namany : mipi-maso, manao famantarana amin’ny tongony sy ny tànany ka miafina ho olo-marina amin’ny ataony. Io ilay lazain’i Jesoa hoe : « fasana milalotra fotsy » (Lio 23 :27), ka loza eo amin’ny fiarahamonina sy ny fiombonana. Zava-doza ny ataony satria mampiely faingana ny ratsy ataony izy, noho izy tsy mitoetra an-trano fa mandehandeha.

2 – Ny fahavetavetana eo imason’i Jehovah (and 16-19)

Fito ny isany : avonavona, lainga, mamono olona marina, sain-dratsy, haingam-panao ratsy, vavolombelona mandainga, mamafy ady amin’ny mpirahalahy. Ireo rehetra ireo dia manimba sy manapotika ary mampahory sy mampijaly ny marina sy ny mahitsy. Andriamanitra Masina sy Marina ny Tompo ka milaza izany ho fahavetavetana sy fahalotoana.

3 – Hotsarain’Andriamanitra ny ratsy fanahy.

Ho tampoka aminy ny loza hihatra aminy noho ny fankahalan’Andriamanitra ny fahotana (and 15). Tsy hisy fahasitranana ho an’ny ratsy fanahy rehefa tonga ny fanorotoroana azy amin’ny farany. Manararaotra manao ratsy ny ratsy fanahy, satria mahari-po ny Tompo mba hialany amin’ny lalan-dratsy. Rehefa tonga tampoka Izy dia hitsara ny olombelona rehetra. Ampianarina ny mpino tsy hitsiriritra ny ratsy fanahy ambinina amin’ny asa ratsiny.

Fanontaniana :

Inona ihany koa no heverintsika ho loharanon’ny herisetra ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !