MOFON’AINA TALATA 14 APRILY 2020

7 Tamin’ny andron’ny nofony, raha nanao fivavahana sy fangatahana nomban’ny fitarainana mafy sy ny ranomaso be tamin’izay nahavonjy Azy tamin’ny fahafatesana Izy, sady voahaino noho ny fahatahorany an’Andriamanitra, 8 dia nianatra fanarahana tamin’izay fahoriana nentiny Izy, na dia Zanaka aza; 9 ary rehefa natao tanteraka Izy, dia tonga loharanon’ny famonjena mandrakizay ho an’izay rehetra manaraka Azy, 10 fa notononin’Andriamanitra hoe Mpisoronabe « araka ny fanaon’i Melkizedeka.
HEBREO 5 : 7-10

JESOA KRISTY ARAKA NY BOKIN’NY HEBREO

Ny mpanoratra ny bokin’ny Hebreo raha nanoratra dia niezaka nanao fampitahana an’i Jesoa tamin’ireo olo-malazan’ny Testamenta Taloha. Izany fampitahana izany dia naneho mandrakariva ny maha-lehibe lavitra sy hendry lavitra an’i Jesoa raha mitaha amin’ireo olo-malaza ireo. Ireto no ambara momba an’i Jesoa eto amin’izao mofonaina izao

  1. Andriamanitra tonga nofo Jesoa (and 7)

« tamin’ny andron’ny nofony »

Olombelona nofo aman-drà Jesoa Kristy. Teny tonga nofo Izy araka ny fampianaran’i Jaona Apostoly. Fampianaram-pinoana tena natanjaka be izany Jesoa tonga nofo izany teo amin’ny tontolon’ny Testamenta Vaovao. Tsy afaka nanatanteraka ny famonjena mantsy Izy raha tsy tonga olombelona nofo aman-drà. Tao amin’io nofony io no nitondrany ny fahotan’izao tontolo izao novonoina teo amin’ny hazo fijaliana. Olombelona toa ahy sy ianao Jesoa, izay zavatra rehetra mety mahazo antsika amin’ny maha-nofo antsika dia efa nahazo Azy avokoa. Na dia teo aza ny maha-olombelona nofo Azy dia anisan’izay fampianaram-pinoana lehibe eo amin’ny fiangonana ny hoe : hain’i Jesoa tsara ny nifehy ny maha-nofo Azy ka tsy lavon’ny fakam-panahy sy resin’ny fahalemen’ny nofo Izy.

  1. Olombelona nohenoin’Andriamanitra Jesoa (and 7)

« sady voahaino noho ny fahatahorany an’Andriamanitra »

Olon’ny vavaka Jesoa. Getsemane dia toerana fitokanany am-bavaka araka ny Soratra Masina. Eto amin’izao andininy izao dia nohenoin’Andriamanitra vavaka Izy. Tsotra ny anton’izany: natahotra an’Andriamanitra Izy. Io fahatahorany an’Andriamanitra io no anisan’izay nahatonga an’Andriamanitra nihaino Azy tokoa. Fomba nampahomby ny asa fanompoan’i Jesoa ity Izy olon’ny vavaka ity. Ny mpanoratra ny filazantsara dia nitantara fa isaky ny hiatrika ady mafy na asa Jesoa dia tsy manadino ny mivavaka amin’Andriamanitra mihitsy. Mampianatra antsika ny mpanoratra fa azo atao tsara ny hoe olon’ny vavaka isika, io maha-olon’ny vavaka miampy ny fahatahorana an’Andriamanitra io no hahombiazana amin’ny asa fanompoana an’Andriamanitra.

  1. Mpamonjy Jesoa (and 9)

« tonga loharanon’ny famonjena mandrakizay ho an’izay rehetra manaraka Azy »

Avy amin’i Jesoa no hamonjen’Andriamanitra. Izy no Mpamonjy izao tontolo izao. Manamafy izany fampianarana izany Lioka raha nanoratra hoe : « ary tsy misy famonjena amin’ny hafa ; fa tsy misy anarana hafa amban’ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena » (Asa 4 : 12). Mazava be koa efa fa ho an’izay manaraka an’i Jesoa ny famonjena. Raha misy olona tsy tonga mpanaraka an’i Jesoa izany dia tsy hisitraka ny famonjena. Izany rahateo no nahatonga an’i Jesoa hiantso olona maro hanaraka Azy. Tombony lehibe ho antsika kristianina ny maha-mpanaradia an’i Jesoa antsika. tombony izay hahazoana antoka ny famonjena antsika.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.