Mofon’aina – Talata 14 febroary 2017

3 Ary Mosesy niakatra ho ao amin’ Andriamanitra, dia niantso azy Jehovah tao an-tendrombohitra ka nanao hoe: Izao no holazainao amin’ ny taranak’ i Jakoba sy hambaranao amin’ ny Zanak’ Isiraely:4 Hianareo efa nahita izay nataoko tamin’ ny Egyptiana sy izay nitondrako anareo tamin’ ny elatry ny voromahery ary ny nampankanesako anareo ho atỳ amiko.5 Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa hianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra hianareo; fa Ahy ny tany rehetra.6 Dia ho fanjaka-mpisorona sy ho firenena masina ho Ahy hianareo. Ireo teny ireo no holazainao amin’ ny Zanak’ Isiraely.
EKSODOSY 19 :3-6

MANAO NY FANEKENY AMINTSIKA ANDRIAMANITRA

Rehefa niala tany Egypta ny Zanak’ Israely tonga tany anefitra tandrifin’ny tendrombohitr’i Sinay .Niantso an’i Mosesy avy tao an-tampon-tendrombohitra Jehovah mba hanambarany ny fanekem-pihavanana . Izany dia mba :

1-Ho vavolombelon’ny teny fampanantenany

Fony niandry Mosesy , dia niseho taminy ny Tompo ka niantso azy hitondra ny Zanak’ Israely hiala any Egypta . Hoy ny teniny tamin’izay : « …Dia hanao fanompoam-pivavahana Amiko eto amin’ity tendrombohitra ity ianareo » ( Eks 3.12 DIEM). Tanteraka teto izany fampanantenana izany . Tsy izay tsy ho tanteraka izay rehetra nampanantenain’ny Tompo . Efa nampanantena Izy fa hamonjy sy hanafaka amin’ny fahotana . Tanteraka ho antsika izany fanekem-pihavanana vaovao izany tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy .

2-Hahatonga antsika ho voatokana ho Azy (and 5,6)

Tonga « vahoaka voafidy , fanjaka-mpisorona ho Azy ho an’ Andriamanitra izay rehetra anaovany fanekena (1 Petera 2.9-10) . Sarobidy eo anatrehan’ Andriamanitra isika . Izany no antony namonjeny antsika . Voatokana hanao ny sitrapony sy hanompo Azy isika . Tombotsoa lehibe ananantsika mihoatra noho ny olona rehetra izany . Koa aoka isika handeha miendrika izay efa niantsoany sy nanavotany antsika ho vavolombelon’ny fanekeny .

Fanontaniana :

Hanao inona no antony nifidianan’ny Tompo anao ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.
Amen !