MOFON’AINA TALATA 14 JANOARY 2020

8 Fa ianao kosa, ry Isiraely mpanompoko, sy Jakoba, izay nofidiko, Taranak’i Abrahama sakaizako, 9 Ianao izay efa notantanako avy tany amin’ny faran’ny tany ary nantsoiko avy tany an-tsisiny ka nilazako hoe: Mpanompoko ianao, Efa nofidiko ka tsy mba nariako: 10 Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho; Ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; Mampahery anao Aho sady mamonjy anao; Eny, mitantana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako Aho. 11 Indro, ho menatra sy hangaihay izay rehetra tezitra aminao, ho tsinontsinona izy; Eny, ho levona izay miady aminao. 12 Hotadiavinao izay mifanditra aminao, fa tsy ho hitanao, ary ho tahaka ny tsinontsinona sy ny zava-poana izay miady aminao. 13 Fa Izaho Jehovah Andriamanitrao no mitantana ny tananao ankavanana, dia ilay manao aminao hoe: Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao.
ISAIA 41 : 8-13

MOMBA ANTSIKA ANDRIAMANITRA

Ny and 10 amin’izao mofonaina izao dia teny fampiasa ho enti-mirary soa na ho enti-mitsodrano matetika. Teny fanomezan-toky ny Jiosy izay babo tany Babylona ho enti-mampahery azy ireo fa mijery azy ireo Andriamanitra, ary mahafantatra tsara ny zava-mahazo azy. Ireto no hafatry ny tenin’Andriamanitra

  1. Momba Andriamanitra

« aza matahotra hianao, fa momba anao Aho »

Ny dikateny Frantsay dia nandika ity hoe momba anao ity hoe : « Je suis avec toi ». Izany hoe ilay fomban’Andriamanitra eto dia midika ho fiarahan’Andriamanitra amin’ny olony, fiarahany monina Aminy. Io Andriamanitra miaraka amin’ny olony io dia miaro – mikarakara – mamelona azy. Andriamanitra manolo-tena hiara-monina amin’ny olony ny Andriamanitra momba azy, Andriamanitra vonona hisahirana hikarakara ny vahoakany. Mbola momba antsika Andriamanitra, ary raha ny marina dia mbola miara-monina amintsika Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa sy ny Fanahy Masina. Koa tsy tokony hatahotra isika satria Izy izay miara-belona no miaro sy mikarakara ary mamelona antsika.

  1. Mampahery Andriamanitra

« Ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; Mampahery anao Aho sady mamonjy anao »

Anisan’izay zavatra iray hahafantarana an’Andriamanitra dia Izy Andriamanitra mampahery. Manana ny hery rehetra rahateo koa moa Izy ka afaka mampahery. Izany hoe afaka manome hery ny vahoakany. Ilay hery omen’Andriamanitra dia tsy tokony hadinoina fa hery ho enti-miatrika ny fiainana an-davanandro, hery ho enti-mijoro ho vavolombelon’i Jesoa Kristy. Meteza arak’izao handray hatrany ny hery omen’Andriamanitra antsika fa manampy antsika hahajoro ho vavolombelony izany.

  1. Mitantana Andriamanitra

« Eny, mitantana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako Aho »

Ny hoe mitantana dia manana heviny maromaro.

– Mifandray mivantana amin’ny vahoaka. Rehefa mifampitantana mantsy dia misy fifandraisan’ny tànana mivantana. Andriamanitra manaiky hifandray mivantana amin’ny olony arak’izao ny Tompo.

– Miara-mamindra ny olona mifampitantana ka tanjona iray no tratrarina. Andriamanitra mitaona antsika hitovy vina sy fijery Aminy no hevitry ny hoe mitantana antsika.

– Mitari-dàlana. Andriamanitra eto no manambara ny tenany ho mitantana ny Jiosy, izany hoe manolo-tena hitari-dàlana ny vahoakany ny Tompo eto.

Meteza hifampitantana amin’ny Tompo amin’ny zavatra rehetra atao, amin’ny lalan-davitra mbola hizorana fa mahatonga fifandraisana velona Aminy izany, mahatonga fitovian-tanjona Aminy izany, ary hahatsapana fa mitarika antsika Izy.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.