MOFON’AINA TALATA 14 SEPTAMBRA 2021

22 Rehefa afaka izany, dia tonga tany amin’ ny tany Jodia Jesoa sy ny mpianany; ary niara-nitoetra taminy tao Izy sady nanao batisa.23 Ary Jaona koa nanao batisa tao Ainona, akaikin’ i Saleima, satria nisy loharano maro tao; dia nankany ny olona ka nataony batisa.24 Fa tsy mbola natao tao an-trano-maizina Jaona.25 Ary nisy nifandiran’ ny mpianatr’ i Jaona tamin’ ny Jiosy anankiray ny amin’ ny fanadiovana;26 ary tonga tany amin’ i Jaona ny mpianany ka nanao taminy hoe: Raby ô, Ilay tany aminao, tany an-dafin’ i Jordana, Izay nambaranao, indro, manao batisa Izy, ary ny olona rehetra manatona Azy.27 Jaona namaly ka nanao hoe: Tsy misy olona mahay mandray na inona na inona, raha tsy nomena azy avy any an-danitra izany.28 Ianareo no vavolombeloko fa hoy izaho: Tsy izaho no Kristy, fa nirahiny hialoha Azy aho.29 Izay manana ny ampakarina no mpampakatra; fa ny sakaizan’ ny mpampakatra, izay mitsangana sy mihaino azy, dia mifaly indrindra noho ny feon’ ny mpampakatra; ary efa tanteraka izany fifaliako izany.30 Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena.
JAONA 3.22-30

1-Nanao batisa i Jesoa

Raha miainga amin’ny and 22 isika dia voalaza eo tsy misy iadian-kevitra mihitsy fa tena nanao batisa i Jesoa .Misy fanehoan-kevitra hafa ihany anefa milaza fa tsy i Jesoa velively no nanao batisa (cf Jao 4 :1-2). Ny mpahay Baiboly kosa dia milaza fa tena azo ekena mihitsy ny fanaovan’i Jesoa batisa talohan’ny nanaovany ny andraikitry ny mpaminany mifindrafindra toerana . Raha araka ny voalaza eto koa dia tsy tamin’ny toerana iray akory no nanaovany izany sy ny nanaovan’i Jaona mpanao batisa izany. Avy eo kosa anefa dia nifantoka tanteraka tamin’ny iraka manokana ho Azy Izy fa ny mpanara-dia Azy no nampanaoviny ny batisa .

2-Ny fanehoan-kevitr’i Jaona momba izany

Misy sary iray nampiasain’i Jaona eto raha milaza izay ataony sy izay ataon’i Jesoa izy tamin’ny alalan’ny fampakaram-bady ka nilazany izay tandrify ny mpampakatra sy ny sakaizan’ny mpampakatra. Nanondro ny tenany ho ilay sakaizan’ny mpampakatra izy tamin’izany fa i Jesoa kosa no nolazainy ho ilay mpampakatra. Ny sakaizan’ny mpampakatra , hoy izy dia mikarakara mialoha ny zavatra rehetra momba ny mariazin’ny mpampakatra ary koa manao izay hahatanteraka soamatsara izany mandritry ny andron’ny fampakarambady.Tapitra ny andraikitra noraisiny amin’ny maha- sakaizan’ny mpampakatra azy rehefa vita soa ny mariazy fa an’ny mpampakatra sisa no manohy izany .Tsy mifanohitra mihitsy ny andraikitra noraisin’i Jaona mpanao batisa sy izay voalaza ami’izay nataon’i Jesoa Kristy satria izy tsy maintsy mihena , i Jesoa kosa tsy maintsy mitombo .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.