Mofon’aina – Talata 15 novambra 2016

33 ary hametraka ny ondry eo amin’ ny ankavanany Izy, fa ny osy [Gr: zanak’ osy] eo amin’ ny ankaviany.34 Ary amin’ izany ny Mpanjaka dia hilaza amin’ izay eo amin’ ny ankavanany hoe: Avia ianareo izay notahin’ ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao;35 fa noana Aho, dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho, dia nampiantranoinareo;36 tsy nanan-kitafy Aho, dia notafianareo; narary Aho, dia notsaboinareo; tao an-trano-maizina Aho, dia novangianareo.37 Ary dia hamaly Azy ny marina ka hanao hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Ianao ka nomenay hanina, na nangetaheta ka nampisotroinay?38 Ary oviana no hitanay nivahiny Ianao ka nampiantranoinay, na tsy nanan-kitafy ka notafianay?39 Ary oviana no hitanay narary Ianao, na tao an-trano-maizina, ka novangianay?40 Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin’ ny anankiray amin’ ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko.
MATIO 25 : 33 – 40

ANKASITRAHAN’NY TOMPO IZAY MITSINJO NY HAFA.

Nanambara I Jesoa fa hipetraka eo aminny seza fiandrianany ka hitsara ny firenena rehetra ireo mpianany:

Handova ilay fanjakana mandrakizay

Anjara toerana manokana eo amin’ny fanjakany no omen’I Jesoa ireo izay nanao hetsika manokana ireny olona malahelo sy sahirana ireny. Ireo nampiasa ny finoany ka nanao asa tamin’ny fitiavana, nanana fo onena ary tena nijery sy nanome araka izay nilain’ireo nitady fanampiana. Fankasitrahana miavaka no ho azony satria handova ny fitahian’Andriamanitra Ray ka tonga mpiray lova amin’I Jesoa Kristy Mpanjaka.

Asehony ny finoana sy ny fitiavana marina

Na dia efa voaantso handova ny fiainana mandrakizay, izay efa voavoatra hatry ny nahariana izao tontolo izao, aza ireto marina teo ankavanan’ny mpanjaka, dia mbola nanontany ny mpanjaka ny fotoana sy ny toerana nanaovany izany asa fiantrana izany. Porofo izany fa tsy ten any hahazo sitraka akory no nanentana azy ireo hanao izany, fa tena fitiavana madiodio. Mahita ny asa fiantrana ataonao isan’andro ny Tompo. Ambarany fa ataonao mivantana Aminy koa ireny ka mahafa-po sy mahafaly Azy. Valim-pitia lehibe no anjara ho an’izay manatanteraka izany, amin’ny andro fitsarany. Koa asehoy amin’ny asa àry ny finoana sy ny fitiavana an’Andriamanitra.

Fanontaniana:

Fomba ahoana no entinao maneho ny finoana sy ny fitiavanao an’Andriamanitra?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen !