MOFON’AINA TALATA 16 AOGOSITRA 2022

25 Ary nony mamatonalina, dia nivavaka sy nihira fiderana an’Andriamanitra Paoly sy Silasy; ary nihaino azy ny mpifatotra. 26 Ary nisy horohorontany mafy dia mafy avy tampoka, ka nihozongozona ny fanorenan’ny tranomaizina; dia nivoha niaraka tamin’izay ny varavarana rehetra, ary nivaha avokoa ny fatoran’izy rehetra. 27 Dia nahatsiaro ny mpiandry tranomaizina ka nahita ny varavaran’ny tranomaizina nivoha, dia nanatsoaka ny sabany izy ka saiky hamono tena, satria nataony fa efa nandositra ny mpifatotra. 28 Fa Paoly niantso tamin’ny feo mahery ka nanao hoe: Aza mamono tena, fa ato ihany izahay rehetra. 29 Ary izy niantso jiro, dia nikaretsaka niditra sady tora-kovitra ka niankohoka teo anatrehan’i Paoly sy Silasy. 30 Ary rehefa nentiny nivoaka izy roa lahy, dia hoy izy: Tompoko, inona no mety hataoko, mba hovonjena aho? 31 Dia hoy izy roa lahy: Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao. 32 Ary izy roa lahy nitory ny tenin’ny Tompo taminy sy tamin’izay rehetra tao an-tranony. 33 Ary nandray azy roa lahy izy tamin’izany ora amin’ny alina izany ka nanasa ny dian-kapoka; ary natao batisa tamin’izay izy mbamin’izay azy rehetra. 34 Ary rehefa nentiny niakatra ho ao an-trano izy roa lahy, dia norosoany hanina teo anoloany, dia nifaly indrindra izy mbamin’izay rehetra tao an-tranony, satria efa nino an’Andriamanitra.ASAN’NY APOSTOLY 16:25-34

NY NAMONJEN’NY TOMPO ILAY MPIANDRY TRANOMAIZINA

1- Manana lalam-pamonjena ho an’ny olona ny Tompo.

Voalaza eto fa natao tao an-tranomaizina tany anatiny indrindra i Paoly sy i Silasy ary nobolokiana mafy ny tongony mba tsy ho afaka hitsoaka mihitsy. Amin’izany toe-javatra izany dia mihevitra ve « ilay ratsy » fa mandresy ny herin’Andriamanitra sy ny fampielezana ny filazantsara izy? Tsia. Ny sitrapon’Andriamanitra dia ny hamonjy ilay mpiandry tranomaizina. Niaritra fanaintainana sy fangirifiriana mafy tokoa i Paoly sy i Silasy noho ny vono natao taminy (Jereo and 22-23) nefa toa hadinony izany satria voalaza eto fa nony mamatonalina dia nivavaka sy nihira fiderana an’Andriamanitra izy ireo. Ny zavatra tsapa araka ny fizotran’ny fitantarana dia lasa vavahadin’ny lanitra ilay tranomaizina noho ny fahatongavan’ny Tompo Andriamanitra teo. Mampahatsiaro ny tenin’i Jereo Kristy indrindra izany ao amin’ny Mat. 5 :11-12. Ianao koa ve vonona hiatrika ny fitsapana tahaka izany araka ny fanirahan’ny Tompo satria irahiny hanao izany ny Kristianina mba ho fanampiana ny hafa izay tian’Andriamanitra hovonjena koa?

2 – Manana vahaolana ho an’ny olony ny Tompo.

Rehefa nivavaka sy nihira fiderana i Paoly sy i Silasy dia nino fa tsy ho foana mihitsy ny fisasarany (cf 1 Kor 15 :58; Fil 2 :16) fa hanome vahaolana ny Tompo ka ho setrin’izany, dia indro nisy horohorontany mafy be izay nampihetsika ny tranomaizina ary nampivaha ny varavaran’ny tranomaizina rehetra sy ny fatoran’ireo voafatotra tao koa. Tena asa mahagaga nataon’ny Tompo tokoa izany hanampiany sy hampaherezany ny olona mba hahery sy hitory ny famonjena ho an’izay mila izany.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.