MOFON’AINA TALATA 16 APRILY 2019

32 Ary izao no tenin’ny Soratra Masina novakiny: « Nentina hovonoina tahaka ny ondry Izy, ary tsy niloa-bava, tahaka ny zanak’ondy moana eo anoloan’ny mpanety azy; 33 Ny fietren-tena no nanaovana Azy resy lahatra; ary iza no hahalaza ny amin’ny niara-belona taminy ? Fa ny ainy nesorina tamin’ny tany » (Isa.53.7.8 ) 34 Ary ilay tandapa namaly an’i Filipo ka nanao hoe: Masìna hianao, iza moa no lazain’ny mpaminany amin’izany? Ny tenany va, sa olon-kafa? 35 Ary Filipo niloa-bava, dia nanomboka teo amin’izany Soratra Masina izany nitory an’i Jesoa taminy. 36 Ary raha nandeha teny an-dàlana izy, dia tonga teo amin’izay nisy rano; ary hoy ilay tandapa: Indro rano, ka inona moa no misakana ahy tsy hatao batisa? 37 Dia hoy Filipo: Raha mino amin’ny fonao rehetra ianao, dia azo atao ihany. Ary izy namaly ka nanao hoe: Mino aho fa Jesoa Kristy no Zanak’Andriamanitra. 38 Dia nasainy najanona ny kalesy; ary izy roa lahy, dia Filipo sy ilay tandapa, nidina ho eo amin’ny rano; dia nataony batisa izy. 39 Ary rehefa niakatra avy teo amin’ny rano izy roa lahy, dia nentin’ny Fanahin’ny Tompo Filipo ka tsy hitan’ilay tandapa intsony fa nandeha tamin’ny nalehany izy sady nifaly. 40 Fa Filipo hita tany Azota, dia nitory ny Filazantsara tany amin’ny tanàna rehetra izay nalehany ambara-pahatongany tany Kaisaria.
ASA 8 : 32-40

SAMBATRA FA VOAVONJY!

Ny tandapa fahizay dia tsy tokony hadinoina fa olona mpitondra fanjakana, mpanjaka; olona ambony teo amin’ny fiarahamonina. Rehefa nahita ity tandapa ity ny Fanahy Masina, nahita azy namaky Soratra Masina dia naniraka an’i Filipo ho eo aminy hampianatra azy Soratra Masina sy hitory ny filazantsaran’i Jesoa Kristy taminy. Zavatra telo no enti-milaza fa sambatra ity tandapa ity

  1. Afaka mamaky Soratra Masina (and 32,33)

« Ary izao no tenin’ny Soratra Masina novakiny: « Nentina hovonoina tahaka ny ondry Izy, ary tsy niloa-bava, tahaka ny zanak’ondy moana eo anoloan’ny mpanety azy; 33 Ny fietren-tena no nanaovana Azy resy lahatra; ary iza no hahalaza ny amin’ny niara-belona taminy ? Fa ny ainy nesorina tamin’ny tany »

Olona be andraikitra izany tandapa izany. Tsy nahasakana azy tsy hamaky Soratra Masina anefa izany andraikitra maha-mpitondra fanjakana azy izany. Lehilahy Afrikanina koa izy, ary tena zava-dehibe izany hoe manana Soratra Masina hovakiana izany izy. sambatra ity tandapa ity satria manana Soratra Masina hovakiana, sambatra satria nomen’Andriamanitra fotoana ihany koa hamakiana Soratra Masina. Anisan’izay tena miantoka ny fahasambarana mantsy ny fifandraisana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Teniny. Mba sambatra toa azy ve isika: manana Soratra Masina hovakiana ary manam-potoana hamakiana izany?

  1. Afaka mihaino ny amin’i Jesoa Kristy (and 34;35)

Rehefa nanontany izy ny amin’ny olona izay ambara ao amin’ny Soratra Masina novakiany dia namaly azy Filipo ka nanomboka teo amin’io Soratra Masina io no nitory an’i Jesoa Kristy. Aseho amin’ny alalan’izao fitantarana izao fa lehilahy efa voalahatra ho amin’ny famonjena tokoa ity tandapa ity. Zava-dehibe miantoka ny famonjena azy tokoa mantsy ny fitoriana ny amin’i Jesoa Kristy. Mba mahaliana anao ve ny mahafantatra bebe kokoa an’i Jesoa Kristy Mpamonjy rehefa mamaky Soratra Masina? Raha misy fotoana tsy takatrao ny hevitry ny Soratra Masina, mba miezaka mamantatra izany ary tsy manaiky ve ianao raha tsy azonao izany?

  1. Afaka natao Batisa (and 36-38)

Rehefa nandre ny amin’i Jesoa izy, nandray fampianarana ny amin’ny Batisa, rehefa nahita rano izy dia nangataka hatao Batisa. Nanontanian’i Filipo izy n amino na tsia. Rehefa nilaza ho nino izy dia niroso tamin’ny fanaovana batisa azy filipo. Ny olona atao batisa dia olona mino, manaiky an’i Jesoa ho Tompony sy Mpamonjy azy. Matoa tonga amin’izao fanaovam-batisa izao dia satria efa tonga tamin’izany dingan’ny finoana sy faneken an’i Jesoa ho MESIA izany izy. Tafiditra amin’ny fifandraisana marina amin’i Jesoa izy. Tonga amin’ny fanoloran-tena ho tonga zanak’Andriamanitra amin’ny alalan’ny batisa. Ny fanazavana ny Soratra Masina aminao ve dia mahatonga anao hanaiky ny maha-Tompo sy Andriamanitra an’i Jesoa? Tongan’izany ho amin’ny fanoloran-tena ho an’i Jesoa marina ve ianao?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra !