MOFON’AINA TALATA 16 MARTSA 2021

22 Ary Mosesy nitondra ny Isiraely nifindra avy teo amoron’ny Ranomasina Mena, dia nandroso ho any amin’ny efitra Sora izy; ary nandeha hateloana tany an-efitra izy fa tsy nahita rano. 23 Dia tonga tao Mara izy, fa tsy nahasotro ny rano tao Mara, satria nangidy izany; koa izany no nanaovany ny anarany hoe Mara 24 Dia nimonomonona tamin’i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Inona no hosotroinay? 25 Ary dia nitaraina tamin’i Jehovah izy, ka dia nanehoan’i Jehovah hazo anankiray, ary rehefa natsipiny tao anatin’ny rano izany, dia tonga mamy ny rano. Tao no nanomezan’i Jehovah lalàna sy fitsipika ho azy, ary tao no nizahany toetra azy, 26 ka hoy Izy: Raha hazoto hihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hanao izay mahitsy eo imasony sy hihaino ny lalàny ary hitandrina ny didiny rehetra, dia tsy hisy hataoko aminao ireny aretina rehetra ireny, izay nataoko tamin’ny Egyptiana; fa Izaho no Jehovah Izay mahasitrana anao.
EKSODOSY 15 :22-26

JEHOVAH ANDRIAMANITRA : ANDRIAMANITRA MIZAHA TOETRA NY VAHOAKANY

Rehefa mamaky ny tantaran’ny fandehanan’ny Zanak’Isiraely niala tany Egypta ho any amin’ny tany Kanana isika dia mahita fa tsy nandeha tamin’ny lalana manivaka izy ireo. Noentin’Andriamanitra tany an’Efitra, ary 40 taona no faharetan’izany. Ho fizahan-toetra ny vahoak’Andriamanitra no anton’izany hoy ny Soratra Masina. Rehefa nandeha tany an’Efitra ny Zanak’Isiraely dia nisedra fahasahiranana samihafa, eto amin’izao mofonaina izao dia tsy fisian-drano no nahazo azy. Ny lalana lavitra, ny tany Efitra, ny zavatra tena ilaina indrindra no tsy nisy. Ary na dia nisy rano aza dia tsy azo nosotroina izany satria nangidy. Teo anatrehan’izany anefa dia nasehon’Andriamanitra fa manampy ny vahoakany Andriamanitra amin’ny fotoan-tsarotry ny fizahan-toetra. Andriamanitra manampy ny vahoakany nozahan-toetra

  1. Azo itarainana (and 25)

« Ary dia nitaraina tamin’i Jehovah izy »

Rehefa tena mafy tamin’ny Vahoaka Isiraely ny tsy fisian-drano dia nitaraina tamin’Andriamanitra izy ireo. Ny fitarainana moa dia mariky ny tsy fahazakana ny zava-mahazo, ny fitarainana koa dia endriky ny hamafin’ny fizahan-toetra. Azo atao tsara arak’izao ny mitaraina amin’Andriamanitra rehefa tena mafy ny ady, rehefa tena mahamay ny fizahan-toetra mahazo. Asehon’ny tantara fa Andriamanitra azo itarainana ny Tompo, ary tena mihaino ny fitarainana ny Tompo. Aza misalasala mihitsy mamboraka amin’Andriamanitra izay mahazo ny tena, indrindra amin’ny fotoan-tsarotra lalovana ao anatin’ny fizahany toetra antsika. Tsy voatery ho mora mandrakariva ny fitondran’Andriamanitra antsika. Amin’ny fotoana mafy dia amin’Andriamanitra ihany mitaraina. Izy ihany no afaka mandre ny fitarainana sy afaka mahita ny manjo.

  1. Mamaha ny olana (and 25)

« Ka dia nanehoan’i Jehovah hazo anankiray, ary rehefa natsipiny tao anatin’ny rano izany, dia tonga mamy ny rano »

Tsy hoe nohenoin’Andriamanitra fotsiny ny fitarainan’ny vahoakany, fa nanome vahaolana tamin’ny rano Izy. Asehon’ny tantara amintsika fa Andriamanitra mamelona Izy, ka mba tsy ho ringan’ny tsy fisian-drano dia indro nanome hazo hahamamy ny rano Izy. Tsy mahavita mamelon-tena eny am-pandehanana ny vahoaka Isiraely eto. Tena niankina tanteraka tamin’Andriamanitra ny fahavelomany. Nitaraina no anjarany, nanamamy ny rano ho azo sotroina no anjaran’Andriamanitra.

Tsy Andriamanitra mitazam-potsiny ny vahoakany ao anaty fahasahiranana ny Tompo, indrindra amin’izay manahirana azy amin’ny fotoan-tsarotra lalovany amin’ny fizahan-toetra. Mamaha mandrakariva ny olany ny Tompo, ary tena mamelona azy mba hahatongavany any amin’ny tany Kanana izay nampanantenainy.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.