Mofon’aina – Talata 17 janoary 2017

7 Izao no lazain’ i Jehovah, Mpanavotra ny Isiraely, dia ny Iray Masiny, Amin’ Ilay hamavoin’ ny olona sy halan’ ny firenena ka tonga mpanompon’ ny mpanapaka: Ny mpanjaka hahita ka hitsangana, ary ny mpanapaka koa, ka dia hiankohoka noho ny amin’ i Jehovah, Izay mahatoky dia ny Iray Masin’ ny Isiraely, izay efa nifidy Anao.8 Izao no lazain’ i Jehovah: Tamin’ ny taona fankasitrahana no nihainoako Anao. Ary tamin’ ny andro famonjena no namonjeko Anao; Dia hiaro Anao Aho ka hanome Anao ho fanekena ho an’ ny olona, mba hanangana ny tany indray sy hampandova ny lova izay efa rava9 ka hanao amin’ ny mpifatotra hoe: Mivoaha, Ary amin’ izay ao amin’ ny maizina hoe: Misehoa; hihinana eny an-dalana izy, ary na dia any an-tendrombohitra mangadihady aza dia hisy ahitra ho azy ihany;10 Tsy ho noana na hangetaheta izy, ary tsy hamely azy ny hainandro migaingaina na ny masoandro; fa Izay mamindra fo aminy no hitarika azy, ary any amin’ ny loharano miboiboika no hitondrany azy.11 Hataoko lalana ny tendrombohitro rehetra, ary hasandratra ny lalambeko.12 Indreo, tonga avy lavitra ireto; ary, indreo, avy any avaratra sy andrefana ireto, ary avy any amin’ ny tany Sinima ireto.13 Mihobia, ry lanitra! Ary mifalia, ry tany! Ka velomy ny hoby, ry tendrombohitra! Fa Jehovah efa nampionona ny olony sy mamindra fo amin’ ny olony mahantra.
ISAIA 49 :7-13

.

1-Ny andraikitry ny olomboavonjy

Misy mpanompo iray antsoina hoe: « Mpanompon’i Jehovah » . Izy no lazaina hoe: « ianao » na « anao »amin’ity Mofonaina ity. I Jesoa Kristy io araka ny hevitra kristiana, kanefa mety ho isika fiangonana voafidy sy voaantson’ Andriamanitra koa. Olona nohamavoina sy natao tsinotsinona ity mpanompon’i Jehovah ity, nefa novonjena ka omena andraikitra indray araka izao :

2-Hanangana ny rava

Lao ny tanin’ Israely, fa voatery nilaozana noho ny fahababoana , nodorana ho may ary rava ny tanàna , potika ny lova izay ny tany sy firenena (and8b). Antsoina hanangana sy hanarina izany ny oom-boavonjy . Tsy mahazo mipetrapetraka izay mahatsiaro ho voavonjy. Koa raiso ny andraikitra fa olomboavonjy ianao. Lao sy mahonena ny tanintsika, potika ny firenentsika noho ny fahalovana sy fahantrana ary ny tsy fandriampahalemana .

3-Mitondra fanafahana

Ny and 9 dia milaza andraikitra hafa koa . Fanafahana ho an’izay mifatotra sy migadra, ary fitondrana ny mbola ao amin’ny maizina ho amin’ny mazava. Adidy apetraka amintsika izany hitady hevitra hanafahana izay ampijaliana tsy an-drariny sy atao an-tranomaizina tsy amin’antony sy tsy misy fitsarana akory .Nananafaka anao ny Tompo , ary vavolombelon’izany ny nanirahany an’i Jesoa . Koa araka izay nataon’ny Tompo tamintsika no ataontsika amin’ny hafa koa. Raiso fa adidinao izany .

Fanontaniana:

Mety mifandray tokoa ve ny andraikintsika sy izay nataon’i Jesoa Kristy ?
Hazavao . Ohatra : Jao 14.12

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.
Amen !