MOFON’AINA TALATA 17 MARTSA 2020

Koa amin’izany, satria manana izany fanantenana izany izahay, dia sahy tokoa, 13 ary tsy tahaka an’i Mosesy, izay nanarona ny tavany tamin’ny fisalobonana, mba tsy hibanjinan’ny Zanak’Isiraely ny faran’izay nihalevona; 14 fa efa donto ny sainy; fa ambaraka andro-any dia mbola tsy nesorina ihany izany fisalobonana izany, raha vakina ny tenin’ny fanekena taloha, satria ao amin’i Kristy ihany no anesorana izany. 15 Fa misy fisalobonana manarona ny fony ambaraka andro-any, raha vakina ny tenin’i Mosesy. 16 Kanefa rehefa miverina amin’ny Tompo izy, dia hesorina ihany ny fisalobonana. 17 Ary ny Tompo izany Fanahy izany; ary izay itoeran’ny Fanahin’ny Tompo no itoeran’ny fahafahana. 18 Fa isika rehetra kosa amin’ny tava tsy misarona dia mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin’ny fitaratra, ka ovana hahazo izany endrika izany indrindra avy amin’ny voninahitra ka ho amin’ny voninahitra, toy ny avy amin’ny Tompo, dia ny Fanahy.
2 KOR 3 : 12-18

MIVERENA AO AMIN’NY TOMPO AMIN’NY ALALAN’I JESOA KRISTY

Ny Soratra Masina ry havana dia mampianatra antsika fa « Jesoa no lalana sy fahamarinana ary fiainana, TSY MISY MANKANY AMIN’NY RAY afa-tsy amin’ny alalany »( Jao 14 : 6). Rehefa mamaky izany isika dia hahatsiaro fa raha hiverina ao amin’Andriamanitra izany dia amin’ny alalan’i Jesoa no fomba tsotra, fomba tokana hiverenana marina ao amin’ny Tompo. Ireto no tombontsoantsika raha miverina ao amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa isika

  1. Mahatakatra ny hevitry ny Soratra Masina isika (and 14)

« fa efa donto ny sainy; fa ambaraka andro-any dia mbola tsy nesorina ihany izany fisalobonana izany, raha vakina ny tenin’ny fanekena taloha, satria ao amin’i Kristy ihany no anesorana izany »

Ambaran’i Paoly fa ao amin’i Kristy no anesorana ny fisalobonana. Ilay hoe fisalobonana dia ho enti-milaza fanafenana zavatra iray, raha ny marina dia nafenina tamin’ny alalan’ny lamba ny tarehin’i Mosesy ka tsy hitan’ny zanak’isiraely izany. Fa ny tena tiana ambara koa dia ilay fisalobonana dia midika fa misy zava-miafina, tonga miafina amin’ny zanak’isiraely ny hevitry ny Soratra Masina, ny hevitry ny testamenta taloha ka tsy hainy sy tsy takany. Izany no ilazan’i Paoly fa donto ny sain’ny zanak’isiraely. Koa satria donto dia tsy mahatakatra ny hevitry ny Soratra Masina. Soa fa misy an’i Jesoa, soa fa noho ny amin’i Jesoa dia azo atao tsara ny manaisotra izany fisalobonana izany. Noho ny amin’i Jesoa Kristy dia tonga takatry ny olona ny hevitry ny Soratra Masina indrindra ny testamenta taloha. Jesoa no manazava ny hevitry ny Soratra Masina, noho izany izay tsy ao amin’i Jesoa dia tsy hahatakatra na oviana na oviana ny Soratra Masina. Anisan’ny olan’ny Jiosy izany, tsy nety nankao amin’i Jesoa izy ireo hany ka tsy takany mihitsy ny hevitry ny Soratra Masina, ary rehefa tsy takany dia tsy hainy mihitsy fa i Jesoa no Mesia tonga hamonjy izao tontolo izao. Misaora an’Andriamanitra isika fa Kristianina, noho ny maha-ao amin’i Jesoa antsika no mahatonga antsika mahatakatra ny hevitry ny Soratra Masina ka mahatonga antsika hanaiky an’i Jesoa ho Ilay irak’Andriamanitra hamonjy antsika. Fa amin’izao fotoan’ny karemy izao dia handeha hivavaka ho an’ny olona rehetra mba hiverina ao amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa izy ka hahatakatra ny hevitry ny Soratra Masina marina.

  1. Miverina mahita ny voninahitr’Andriamanitra (and 16)

« Kanefa rehefa miverina amin’ny Tompo izy, dia hesorina ihany ny fisalobonana »

Ilay voninahitr’Andriamanitra teo amin’ny tarehin’i Mosesy no notakonana tamin’ny lamba mba tsy ho hitan’ny zanak’isiraely ny fiafaran’izany teo aminy. Raha hitan’izy ireo mantsy ny fiafaran’izany dia mety ho niteraka finoanoam-poana teo amin’izy ireo izany. Ilay fisalobonana tsy mbola afaka dia midika fa niafina tamin’ny zanak’isiraely ny voninahitr’Andriamanitra. Koa rehefa ao amin’i Kristy izy dia esorin’i Kristy io fisalobonana io ka tonga hitan’ny olona ny voninahitr’Andriamanitra. Miverina mahita indray ny voninahitr’Andriamanitra izay tafaverina ao amin’ny Tompo amin’ny alalan’i Kristy. Ao amin’i Kristy irery ihany no mamirapiratra ny voninahitr’Andriamanitra, ary ao no avelan’Andriamanitra ho hitan’ny olona izany. Aoka ho zava-dehibe amintsika ny maha-ao amin’i Kristy antsika. Tombony lehibe mantsy izany, tombom-pahasoavana azontsika mihoatra amin’ny hafa. Aoka tsy hiala ao amin’i Jesoa isika mba hamirapiratra amintsika mandrakariva ny voninahitr’Andriamanitra.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.