MOFON’AINA TALATA 17 MAY 2022

34Ary Petera niloa-bava ka nanao hoe: Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; 35fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany. 36Hianareo mahalala ny teny izay nampitondrainy ho amin’ny Zanak’isiraely, mitory teny soa milaza fiadanana amin’ny alalan’i Jesosy Kristy (Izy no Tompon’izao rehetra izao), 37dia ilay teny natomboka hatrany Galilia ka notorina tany Jodia rehetra teo aorian’ny batisa izay notorin’i Jaona, dia ny amin’i Jesosy avy any Nazareta, 38Izay nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina sy ny hery sady nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon’ny herin’ny devoly, satria Andriamanitra nomba Azy. 39Ary izahay no vavolombelon’ny zavatra rehetra izay nataony tany amin’ny tanin’ny Jiosy sy tany Jerosalema; Izy dia novonoiny nahantony teo amin’ny hazo; 40nefa natsangan’Andriamanitra kosa Izy tamin’ny andro fahatelo ka nasehony marimarina, 41tsy tamin’ny olona rehetra, fa tamin’ny vavolombelona izay notendren’Andriamanitra rahateo, dia taminay izay niara-nihinana sy nisotro taminy, rehefa nitsangana tamin’ny maty Izy. 42Ary Izy nandidy anay hitory amin’ny olona ka hanambara fa Izy no voatendrin’Andriamanitra ho Mpitsara ny velona sy ny maty. 43Izy no ambaran’ny mpaminany rehetra, fa amin’ny anarany no hahazoan’izay rehetra mino Azy famelan-keloka. 44Raha mbola nilaza izany teny izany Petera, dia nilatsaka tamin’izay rehetra nandre ny teny ny Fanahy Masina. 45Ary talanjona ny mino isan’ny voafora izay niaraka tamin’i Petera, satria nilatsaka tamin’ny jentilisa koa ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina. 46Fa nandre azy niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra sy nankalaza an’Andriamanitra izy. Dia namaly Petera ka nanao hoe: 47Moa misy olona mahazo mandrara ny rano tsy hanaovana batisa ireo, izay efa nandray ny Fanahy Masina tahaka antsika koa? 48Dia nasainy natao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy izy. Ary nangatahin’ireo mba hitoetra ao aminy andro vitsivitsy izy.ASAN’NY APOSTOLY 10: 34-48

NY MAHA IZY AZY NY FANAHY MASINA

Ity teny voalahatra ity dia ahitantsika ny toriteny nataon’i Petera rehefa tafahaona tamin i Kornelio izy.

1- Mitarika ny olona hanao asa tsara

Nanambara ny amin’i Jesoa Kristy i Petera, naharihariny fa i Jesoa Kristy dia Ilay Voahosotr’Andriamanitra, nanana ny Fanahy Masina. Ny Fanahy Masina no nitarika Azy nanao asa samihafa teo amin’izay sehatra nanirahan’ Andriamanitra Azy. Nanao asa soa i Jesoa Krsity, asa mitondra fiainana, namonjy, nanafaka ireo olona tamin’ny fatorana samihafa. Nomena ny Fanahy Masina ihany koa isika mpino Kristiana. Raha manaiky ny asan’ny Fanahy Masina isika dia manao asa tsara eo amin ny fiaraha-monina misy antsika. Manaova asa tsara mandrakariva.

2- Fanomezana ho an’ny olona rehetra.

Nambaran’i Petera tamin’ny toriteny nataony fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra (and.34). Niseho tamin’ ny endrika hita maso tokoa izany. Raha mbola nitoriteny izy dia nilatsaka tamin’ny olona nandre ny teny ny Fanahy Masina (and. 44), nandray ny Fanahy Masina fanomezana avy amin’Andriamanitra ny hafa firenena, Ireo olona nandray ny Fanahy Masina dia nankalaza an’ Andriamanitra. Tsy manavakavaka tokoa Andriamanitra, tiany handray ny famonjena, tiany ho amin’ny fifandraisana sy ny fiderana Azy ny olona rehetra ka nomeny ny Fanahy Masina. Tombotsoa manokana ho anao izany, Mankalaza an Andriamanitra mandrakariva.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.