Mofon’aina – TALATA 17 OKTOBRA 2017

1 Ary Jesoa nilaza fanoharana taminy, fa tsy mety raha tsy mivavaka mandrakariva izy ka tsy reraka,2 dia nanao hoe: Nisy mpitsara tao an-tanàna anankiray, izay tsy natahotra an’ Andriamanitra, na mena-maso olona.3 Ary nisy mpitondratena tao amin’ izany tanàna izany, izay nankao aminy matetika ka nanao hoe: Omeo rariny aho amin’ ilay manana ady amiko.4 Ary tsy nanaiky izy aloha; fa rehefa afaka izany, dia nanao anakampo hoe izy: Na dia tsy matahotra an’ Andriamanitra aza aho sady tsy mena-maso olona,5 mba homeko rariny ihany io mpitondratena io, fa manahirana ahy izy, fandrao ho avy mandrakariva izy ka hampahasosotra ahy.6 Ary hoy ny Tompo: Henoy izay lazain’ ilay mpitsara tsy marina.7 Fa Andriamanitra tsy hanome rariny ny olom-boafidiny va, izay mitaraina aminy andro aman-alina, ary moa hitaredretra va Izy?8 Lazaiko aminareo fa homeny rariny faingana izy. Kanefa, raha avy ny Zanak’ olona, moa hahita finoana etỳ ambonin’ ny tany va Izy?
LIOKA 18 : 1-8

MIANDANY AMIN’NY OLOM-BOAFIDINY ANDRIAMANITRA

1-Miaro ny mpino maharitra mivavaka ny Tompo

Ratsy ny fiaraha-monina asehon’i Jesoa eto: misy mpitsara tsy marina sady tsy matahotra an’Andriamanitra: misy mpitondratena mahantra, izay manana ady amin’ny mpiara-monina. Lany andro sy fotoana mivezivezy mitady ny rariny ilay mpitondratena. Miasa ao am-pon’ny ratsy fahahy ny Tompo mba hahazoan’ny marina ampahantraina ny rariny. Tompon’ny fahefana rehetra i Jesoa Kristy ka afaka manova ny ratsy fanahy ho marina, na ny tsy matahotra an’Andriamanitra ho tia ny fahamarinana. Ny fivezivezena sy ny fiharetana ary ny faharetan’ilay mpitondratena dia manambara ny vavaka ataon’ny mino.Mahareta amin’ny fivavahana.

2- Miaro ny mpino mahatoky ny Tompo

Andriamanitra manome rariny ny olom-boafidiny. Andro aman’alina no iantsoana ny Tompo. Tsy mba tara amin’ny famonjena ny mpino Andriamanitra. Mahatoky sy marina Izy: mijery sy mahita ny fijalian’ny zanany ka mamonjy Azy. Mijaly sy mitaraina fatratra isika kristiana
ankehitriny amin’ny fanenjehana sy ny fanaratsiana mihatra amintsika. Ireny no ady tsy maintsy hatrehana. Sady anefen’ny Tompo antsika kristiana ho tsara orina amin’ny fivavahana sy ny finoana. Tohizo àry ny vavaka andro amana alina, ataovy matetika sy amin’ny finoana fa tsy mamela antsika hiady irery i Jesoa Kristy.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !