MOFON’AINA TALATA 19 MAY 2020

14 Ary Jahaziela, zanak’i Zakaria, zanak’i Benaia, zanak’i Jeiela, zanak’i Matania, Levita amin’ny taranak’i Asafa, dia voatsindrin’ny Fanahin’i Jehovah teo amin’ny fiangonana 15 ka nanao hoe: Mihainoa ianareo, ry Joda rehetra sy ry mponina any Jerosalema, ary ianao, ry Josafata mpanjaka: Izao no lazain’i Jehovah aminareo: Aza matahotra na mivadi-po ny amin’ireo olona betsaka ireo, fa tsy anareo ny ady, fa an’Andriamanitra. 16 Rahampitso dia midìna hiady aminy ianareo; fa, indreo, hiakatra amin’ny fiakarana Ziza izy; ary ianareo hahita azy eo amin’ny faran’ny lohasahan-driaka tandrifin’ny efitr’i Jeroela. 17 Tsy ianareo anefa no hiady amin’ity; mijanòna tsara, fa ho hitanareo ny hamonjen’i Jehovah anareo, ry Joda sy Jerosalema. Aza matahotra na mivadi-po, fa rahampitso dia mivoaha hiady aminy; fa Jehovah no momba anareo.
II TANTARA 20 : 14-17

IZAY VOATSINDRIN’NY FANAHY MASINA

Teo amin’ny fanjakana Tatsimo (Joda – Benjamina) dia nisy karazana mpanjaka roa nitondra ny fanjakana. Nisy ireo izay tsy natahotra an’Andriamanitra ka tsy nanao izay mahitsy teo imason’Andriamanitra tamin’ny fitondrana fanjakana. Izy ireny dia nampanompo sampy ny vahoaka teo ambany fifehezany. Ary ho fiarovana ny fanjakana tamin’ny fahavalo dia tsy nisalasala niara-niasa tamin’ireo fanjakana sy mpanjaka manodidina izay nitaky tamin’izy ireo ny hanompoana ny andriamaniny ho takalon’ny fanampiana nomen’izy ireo. Nisy kosa mpanjaka izay natahotra an’Andriamanitra ka ambara fa nandeha mahitsy teo imason’Andriamanitra tamin’ny fitondrana fanjakana. Anisan’ireny Josafata izay ambaran’ny mofonaina eto. Ny mpanjaka natahotra an’Andriamanitra kosa dia namerina ny vahoaka amin’ny fanompoana an’Andriamanitra ka raha nisy fahavalo nanafika dia tsy nisalasala nanatona an’Andriamanitra ka nangataka famonjena Taminy.

Eto amin’izao mofonaina izao dia ho avy hanafika ny fanjakan’i Josafata ny Moabita sy ny Amonita. Ambaran’i Josafata fa sady matanjaka no maro an’isa izy ireo ka tsy manana hery ho enti-miady aminy izy ireo. Nandeha nivavaka nangataka famonjena tamin’Andriamanitra Josafata, notarihiny ho ao amin’ny fiangonana ireo vahoaka ka samy nivavaka tamin’Andriamanitra avokoa. Teo am-piangonana no notsindrian’ny Fanahy Masina ny iray tamin’izy ireo: Jahaziela, ka tonga

  1. Nampahery azy ireo (and 14,15)

« Ary Jahaziela… dia voatsindrin’ny Fanahin’i Jehovah teo amin’ny fiangonana 15 ka nanao hoe: Mihainoa ianareo, ry Joda rehetra sy ry mponina any Jerosalema, ary ianao, ry Josafata mpanjaka: Izao no lazain’i Jehovah aminareo: Aza matahotra na mivadi-po ny amin’ireo olona betsaka ireo, fa tsy anareo ny ady, fa an’Andriamanitra »

Teo anatrehan’ny fahavalo sady matanjaka no maro dia nampahery ny mpanjaka sy ny vahoaka Jahaziela. Anisan’ny zavatra voalohany nolazainy dia teny fampaherezana, fanaisorana ny tahotra. Ny faharoa dia fampianarana fa tsy an’ny vahoaka ao Joda ny ady fa an’Andriamanitra. Teny fampaherezana sady fanomezan-toky izany.

Asehon’ny tantara amintsika fa izay manana ny Fanahy Masina dia tonga mpampahery ny hafa, indrindra ireo izay toa kivy sy mitebiteby noho ny asam-pahavalo. Azo fantarina amin’ny zavatra lazain’ny olona eo amin’ny fiangonana arak’izao ny maha-ao aminy na tsia ny Fanahy Masina. Rehefa ao amin’ny olona ny Fanahin’Andriamanitra dia hahay hampahery tokoa izy.

Tao amin’i Jesoa Kristy ny Fanahy Masina, izany no nahatonga an’i Jesoa Kristy tena nahay nampahery ireo olona niara-belona Taminy. Ao amintsika Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, koa handeha hifampahery, fotoan’ny fifampaherezana rahateo izao. Handeha hampaherezina ireo izay miatrik’ady ka mitebiteby sy matahotra vokatr’izany.

  1. Nampirisika azy ireo hiasa (and 16,17)

« Rahampitso dia midìna hiady aminy ianareo… Tsy hianareo anefa no hiady amin’ity; mijanòna tsara, fa ho hitanareo ny hamonjen’i Jehovah anareo, ry Joda sy Jerosalema. Aza matahotra na mivadi-po, fa rahampitso dia mivoaha hiady aminy; fa Jehovah no momba anareo »

Zavatra roa mazava tsara no nasain’i Jahaziela nataon’i Josafata sy ny vahoaka eto:
– Fampirisihina hiasa fa tsy hipetra-potsiny: nasaina nidina ka nandeha ho eny amin’ny toerana izay hahitany ny fahavalo.

– Fampirisihina hatoky fa tsy hiady irery, na raha ny marina tsy hiady mihitsy, tsy azy rahateo ny ady fa an’Andriamanitra.

Ny Fanahy Masina dia mandrisika antsika mandrakariva hiasa, ary rehefa miasa dia mila manaraka tsara ny toromariky ny mpanompon’Andriamanitra. Izany hoe miasa mifanaraka amin’ny Sitrapon’Andriamanitra.

 Ilay asa dia tsy mifanaraka tsara amin’izay nanafaran’Andriamanitra. Tsy hisy fahombiazana raha toa ka mifanohitra amin’izay sitrapon’Andriamanitra ny asa tanterahina. Eto ny asa dia ady amin’ny fahavalo, ka raha tsy manaraka ny toromariky ny Tompo izay nampitondrainy ny mpanompony dia ho resin’ny fahavalo.

Ny Fanahy Masina koa dia manome toky mandrakariva fa izay miara-miasa amin’ny Tompo, izay manaiky fa Andriamanitra no manao ny zavatra rehetra no handresy. Mampianatra antsika hanetry tena ny Fanahy Masina fa asan’Andriamanitra madiodio ny fandresena ny fahavalo. Ary rehefa tena mamaky ny t antara hatramin’ny farany isika, dia hahita fa rehefa narahin’i Josafata sy ny vahoaka ara-bakiteny ny toromarika dia nataon’Andriamanitra nandresy ny fahavalo tsy niady akory izy ireo.

Jesoa dia nahomby mandrakariva tamin’ny asa nataony satria nifanaraka tamin’ny sitrapon’Andriamanitra hatrany izany. Ny asan’ny Fanahy Masina tao Aminy dia nanome toromarika mandrakariva Azy ka nampahomby tamin’ny zavatra rehetra.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.