MOFON’AINA TALATA 19 NOVAMBRA 2019

18 Fa ataoko fa ny fahoriana amin’izao andro ankehitriny izao dia tsy tokony hoharina amin’ny voninahitra izay haseho amintsika. 19 Fa izao zavatra ary rehetra izao dia samy maniry fatratra ka miandry ny fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra; 20 fa izao zavatra ary rehetra izao dia nampanekena ho zava-poana, nefa tsy noho ny sitrapony, fa noho izay nampanaiky azy, 21 sady mahazo fanantenana koa fa izao zavatra ary rehetra izao aza dia hovotsorana amin’ny fahandevozana, dia ny fahalòvana, ho amin’ny fahafahana izay momba ny voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra. 22 Fa fantatsika fa izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento sy miara-marary toy izay efa hiteraka mandraka ankehitriny; 23 ary tsy izany ihany, fa isika koa, na dia manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy aza, eny, isika aza dia misento ato anatintsika, miandry ny fananganan-anaka, dia ny fanavotana ny tenantsika. 24 Fa ny fanantenana no amonjena antsika; nefa ny fanantenana hita dia tsy mba fanantenana intsony; fa ahoana no mbola anantenan’ny olona izay efa hitany? 25 Fa raha isika manantena izay tsy mbola hitantsika, dia miandry amin’ny faharetana.
ROMANA 8 : 18-25

NY FANANTENANA KRISTIANINA

Anisan’izay tena mampiavaka ny fivavahana kristianina ny fananany fanantenana. Fanantenana ny amin’ny fiainana mandrakizay. Fanantenana famonjena avy amin’Andriamanitr izay ivavahany. Io fanantenana io no mihazona azy eto amin’izao tontolo izao ka mahatonga azy hahazaka zavatra maro samihafa eto amin’izao tontolo izao. Io fanantenana io koa moa dia tsy tokony hoadinoina fa noho ny tenin’i Jesoa nampanantena fa mbola ho avy haka azy ireo eto amin’izao tontolo izao. Miorina amin’ny inona tokoa moa ny fanantenana kristianina ?

  1. Fanantenana hihaona amin’i Jesoa rahatrizay (and 18,19)

« Fa izao zavatra ary rehetra izao dia samy maniry fatratra ka miandry ny fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra »

Toy ny vehivavy bevohoka ny fiainana kristianina, ny fiainan’ny fiangonana kristianina. Mitondra fahoriana mandrakariva izy eto amin’izao tontolo izao. Mitondra fahoriana toy ny vehivavy mihetsi-jaza ka manantena fa tsy ho ela dia ho tonga ilay zaza niriana ka na dia narary aza ny niteraka azy rehefa hitan’ny maso ilay zaza dia nisinda any avokoa ny fahoriana rehetra. Na dia mahatsiaro aza ny mino fa mafy ny fahoriana mahazo azy dia zakainy izany, hiaretany izany satria manantena izy fa io fiaretana fahoriana io no fomba hahitany an’i Jesoa rahatrizay, ary rehefa mahita an’i Jesoa izy dia tsy hahatsiaro akory ny fahoriana izay niaretany noho ny fijoroany vavolombelona. Aoka mbola izany fanantenana izany hatrany no hamelombelona ny fanahintsika miandry fatratra tokoa ny fisehoan’i Jesoa Kristy Tompontsika.

  1. Fanantenana handray ny valin’ny fiaretana (and 24,25)

Heverin’ny olona ho adalana mihitsy ny zavatra ataontsika kristianina. Fahadalana tokoa raha tsy mahatakatra ny hasarobidin’ny fifandraisana amin’ny Tompo. Raha ny marina mantsy, ary marina izany amin’ny sehatra rehetra na dia ivelan’ny finoana sy ny fivavahana kristianina aza, tsy misy zavatra ho tonga ho azy eo amintsika raha tsy mba nisy fiaretana niaretantsika. Ny valala aza hoe tsy azo raha tsy handrianilika. Izany hoe ny zavatra tsara rehetra mety miseho eo amin’ny fiainana dia vokatry ny asa mafy sy ny fiaretana samihafa. Dia toa izany koa ny fanantenana kristianina, miaritra zavatra mafy isika, miaritra zavatra maro isika satria manantena fa hahazo vokany, sy hahazo valisoa avy amin’izany fiaretana izany avy amin’ny Tompo. Anisan’ny zavatra tena mba irian’ny ankamaroan’ny mino ny mandreha an’i Jesoa hiteny rahatrizay manao hoe : « tsara izany ry mpanompo tsara sady mahatoky, midira amin’ny fifalian’ny Tomponao ».

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.