Mofon’aina – TALATA 20 FEBROARY 2018

4 Anaka, ianareo dia avy amin’ Andriamanitra ary efa naharesy ireny, satria lehibe Izay ao aminareo noho izay ao amin’ izao tontolo izao.5 Isan’ izao tontolo izao ireny, ka dia miteny araka ny an’ izao tontolo izao izy, ary mihaino azy izao tontolo izao.6 Avy amin’ Andriamanitra izahay; izay mahalala an’ Andriamanitra no mihaino anay; Izay tsy avy amin’ Andriamanitra tsy mba mihaino anay. Izany no ahafantarantsika ny fanahin’ ny fahamarinana sy ny fanahin’ ny fampiviliana.
1 JAONA 4 :4-6

NY OLONA  MAHAY MANAVAKA NY FAMPIANARANA

Mampitandrina  ny mpino  manoloana ny fisian’ny fampianaran-diso i Jaona . Fantaro   izay  ireo  mampianatra ?

1-Manana  ny Fanahy Masina 

Mananatra   ny kristiana  i Jaona   mba tsy hinohino foana  ny fanahy rehetra. Miankina amin’ny fanahy miasa  ao anatin’ny olona ny fampianarana ambarany. I satana  dia miezaka  mandrakariva  ampirenireneny  ny olon’ Andriamanitra. Kanefa  rehefa manaiky tarihin’ny Fanahy masina  dia mahay manavaka  ny fampianarana marina  amin’ny fampianaran-diso ny  mpino. Tsarovy  fa miaina  eto  anivon’izao tontolo izao  isika, maro   ireo karazam-pampianarana  miseho   ankehitriny. Meteza  hotarihan’ny Fanahy Masina  ianao   dia hiorina  tsara  amin’ny finoana, hitoetra  amin’ny famonjena  efa notanterahin’i Kristy.

2-Tena olon’ Andriamanitra 

Ambaran’i Jaona  eto   fa iraka  avy amin’ Andriamanitra  izy.  Iraka  maneho  ny fahamarinana araka an’ Andriamanitra. Ny tena  olon’ Andriamanitra   miombom-piainana amin’ Andriamanitra  « mahalala an’ Andriamanitra  » mahay  mihaino, mahay mandray  ny fampianarana  entiny. Izao  tontolo izao  ihany  no afaka  mifampihaino, mifampizara  fampianarana. Ampitandremana fatratra noho izany  ny  mpino  tsy handray  ny fampianarana mifanohitra  amin’ny finoana  marina mahakasika an’i Jesoa Kristy  , Ilay Andriamanitra tonga nofo  namonjy  ny olona rehetra .

Fanontaniana:

Nahoana no misy olona efa nandroso tamin’ny fanompoana kanefa nihemotra noho  ny  fandraisana fampianarana hafa?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !