Mofon’aina – Talata 21 febroary 2017

25 Ary ankehitriny, Jehovah Andriamanitra ô, ilay teny nolazainao ny amin’ ny mpanomponao sy ny taranany dia ampitoero ho mandrakizay, ary ataovy araka izay nolazainao.26 Ary aoka hohalehibiazina mandrakizay ny anaranao ka hatao hoe: Jehovah, Tompon’ ny maro, no Andriamanitry ny Isiraely; ka dia hampitoerina eo anatrehanao ny taranak’ i Davida mpanomponao.27 Fa Ianao, Jehovah Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, efa nilaza tamin’ ny mpanomponao hoe: Izaho hanome taranaka anao; koa izany no nampahasahy ny fon’ ny mpanomponao hanao izao vavaka izao Aminao.28 Ary noho izany, Jehovah Tompo ô, satria Ianao no Andriamanitra, ary marina ny teninao, ary Hianao efa nilaza izany zava-tsoa izany ny amin’ ny mpanomponao,29 dia aoka ho sitrakao ny hitahy ny taranaky ny mpanomponao haharitra mandrakizay eo anatrehanao; fa Ianao, Jehovah Tompo ô, efa niteny izany; eny, aoka ny fitahianao no hitahianao ny taranaky ny mpanomponao mandrakizay.
II SAMOELA 7 :25-29

NY VAVAKY NY MPANJAKA

Nanome fampanantenana ho an’i Davida mpanjaka ny Tompo fa hitahy azy sy hahalehibe ny anarany. Izany no nanetsika ny fon’ny mpanjaka hanandratra vavaka. Misy fizarana roa ilay vavaka, ka ao anatin’ny fizarana faharoa (and22-29) no hitantsika eto .

1-Apetraka eo anatrehan’ny Tompo ny fitondrana

Hoy ny and 25 : « Ankehitriny ry Tompo Andriamanitra ô ny fampanantenana nolazainao momba ahy sy ny taranako dia tano mandrakizay ary ataovy araka izay efa nampanantenainao » (DIEM). Ekeny fa Andriamanitra no efa nifidy ny vahoakan’Israely. Izy no nametraka an’i Davida ho eo amin’ny seza fiandrianana maha-mpanjaka. Izay rehetra manana fahefana sy mipetraka eo amin’ny toeran’ny mpitondra dia tokony hanetry tena sy hahatsiaro fa Andriamanitra no nanendry azy. « Fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin’ Andriamanitra, fa izay misy dia voatendrin’ Andriamanitra » (Rom 13.1).

2-Mivavaka ho an’ny taranany

Hoy ny and 29 : « …dia aoka ho sitrakao ny hitahy ny taranaky ny mpanomponao haharitra mandrakizay eo anatrehanao… ». Aoka hametraka ny ho avin’ ny taranaka eo ampelatànan’ny Tompo isika. Adidintsika ny mivavaka sy mitaona azy ireo hanara-dia an’i Jesoa.

Fanontaniana :

Nahoana no misy kristiana tsy mahataona ny ankohonany hivavaka ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen !