MOFON’AINA TALATA 21 JONA 2022

31Ary nidina tany Kapernaomy, tanàna any Galilia, Jesoa ka nampianatra ny olona tamin’ny Sabata. 32Dia talanjona ny olona tamin’ny fampianarany, satria nisy fahefana ny teniny. 33Ary nisy olona tao amin’ny synagoga, izay nanana ny fanahin’ny demonia maloto, dia niantso tamin’ny feo mahery izy 34ka nanao hoe: Indrisy! moa mifaninona akory izahay sy Ianao, ry Jesoa avy any Nazareta? avy handringana anay va Ianao? Fantatro fa Ilay Masin’Andriamanitra Hianao. 35Fa Jesoa niteny mafy azy ka nanao hoe: Mangina ianao, ka mivoaha aminy. Ary ny demonia, nony namotraka azy teo afovoan’ny olona, dia nivoaka taminy, nefa tsy naharatra azy. 36Ary talanjona avokoa izy rehetra ka niresaka hoe: Manao ahoana izao teny izao! Fa amin’ny fahefana sy ny hery no andidiany ny fanahy maloto, dia mivoaka ireo. 37Ary niely teny amin’ny tany manodidina rehetra ny lazany.LIOKA 4:31-37

NY FAHEFAN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Ity tantara ity dia maneho ny fahefan’ny Tenin’i Jesoa

1- Mampivoaka ny ratsy miafina

Nampianatra tao amin’ny Synagoga i Jesoa araka ny hita eto. Voalazan’i Lioka ao anatin’ity fitantarany ity fa talanjona ny olona tamin’ny fampianarany izay nisy fahefana. Vokany dia nisy olona nanana ny fanahin’ny demonia izay niantsoantso satria tsy tafatoetra ny demonia tao anatiny. Hay na ao am piangonana aza dia mety hisy olona manana demonia. Koa raiso tsara ny Teny omen’ny Tompo antsika mba tsy hahatamana ny demonia milafidafika ao am-pontsika ao.

2- Mandroaka ny fanahy ratsy

« Mangina ianao ka mivoaha aminy » , hoy Jesoa tamin’ny demonia. dia indro niala tamin’ilay lehilahy ny fanahy maloto. Dia talanjona fanindroany indray ireo nanatrika noho ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra. Anisan ireo asa nanirahana an’i Jesoa ny handrava ny fahefan’ny Devoly eo amin’ny fiainantsika (vakio 1 Jao 2 :8). Mba hahatonga antsika hahatsiaro ny hatsaran’ny Fanjakan ‘ Andriamanitra dia tsy maintsy mandalo ady amin’ilay ratsy isika. Ny Tenin’ Andriamanitra no sabatra entintsika mandresy izany.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.