Mofon’aina – TALATA 22 AOGOSITRA 2017

31 Fa tsy hanary mandrakizay ny Tompo;32 Eny fa na dia mampahory aza Izy, dia mbola hiantra ihany araka ny haben’ ny famindrampony.33 Fa tsy sitrany ny mampahory na mampalahelo ny zanak’ olombelona.
FITOMANIANA 3 :31-33

Azo antoka ny fandresena satria:

1-Ny fijaliana mandalo

Mazava tsara ny Fit.3 :31-33 izay manambara fa tsy hanary mandrakzay ny Tompo ary tsy sitrany ny mampahory na mampalahelo ny zanak’olombelona.Na dia mandalo fotoan-tsarotra aza ny mpino dia voafetra ihany izany satria ny Tompo miantra sy miasa ho an’ny mpanompony.Hoy Izy hoe:  « Izaho mahalala izay hevitra hiheverako anareo dia hevitra hahatonga fiadanana fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana  ny amin’ny farany ».

2-Ny famindrampon’Andriamanitra mitoetra

« Dia mbola hiantra ihany Izy araka ny haben’ny famindrampony » (Fit.3 :32). Io famindrampon’Andriamanitra io no manazava ireo fahombiazana sy fandresena samihafa eo amintsika .Io no tsy mahalany  ritra antsika. Ny ran’i Jesoa Kristy latsaka teo amin’ny hazo fijaliana no nanova ny fahatezeran’Andriamanitra ho tonga famindrampo tsy mety lany. Hery lehibe  ho antsika io haben’ny famindrampon’Andriamanitra io, kanefa aoka tsy hararaotina hanatanterahana ireo filàna maro samihafa.Mahaiza manome voninahitra ny Tompo  mifanaraka amin’izany.

Fanontaniana:

Inona avy ireo fomba fiady mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra  entina mandresy ny fahakiviana?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !