MOFON’AINA TALATA 22 JONA 2021

5 Hoy Tomasy taminy: Tompoko, tsy fantatray izay alehanao; ka hataonay ahoana no fahafantatra ny lalana? 6 Hoy Jesoa taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ ny Ray, afa-tsy amin’ ny alalako.7 Raha nahafantatra Ahy ianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa; ary hatramin’ izao dia mahafantatra Azy hianareo sady efa nahita Azy.8 Hoy Filipo taminy: Tompoko, asehoy anay ny Ray, dia ampy ho anay izay.9 Hoy Jesoa taminy: Izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo, ka tsy mbola fantatrao ihany va Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray; koa ahoana no anaovanareo hoe: Asehoy anay ny Ray? 10 Tsy mino va ianao fa Izaho ao amin’ ny Ray, ary ny Ray ato Amiko? Ny teny izay lazaiko aminareo, dia tsy avy Amiko izany lazaiko izany; fa ny Ray mitoetra ato Amiko no manao ny asa.11 Minoa Ahy fa Izaho ao amin’ ny Ray, ary ny Ray ato Amiko; fa raha tsy izany, dia minoa Ahy noho ny asa ihany aza.
JAONA 14 :5 – 11

MINOA FOTSINY IHANY

1- Tomasy :

Ny nahafantarantsika an’i Tomasy moa dia ny tsy finoany raha tsy nahita maso an’i Jesoa izy tamin’ny fisehoan’i Jesoa tamin’ny mpianany rehefa nitsangana tamin’ny maty. Mialoha izany ity tantara eto ity ka nahitana fa toa tsy nahazo resaka i Tomasy. Raha ny fanontaniana napetrany no jerena dia izay tanjona na fiafaran’ny làlana handehanan’I Jesoa no nahaliana azy. Nihevitra izy fa raha fantatra ny toerana aleha dia ho fantatra ary mora ny nisafidy ny làlana hombana. Mazava ny valin-tenin’i Jesoa eto sady nambarany ny tanjona dia ny mankany amin’ny Rainy sy ny fomba andehanana any dia Jesoa làlana sy fahamarinana. Aoka isika tsy hitady làlana hafa ahazoantsika ny lanitra fa Jesoa. Aoka tsy hisalasala tahaka an’i Tomasy intsony isika fa hahay handeha amin’Ilay làlana sy fahamarinana. (vakio Jao 10 :9)

2- Filipo:

« Tompoko,asehoy anay ny Ray dia ampy ho anay izay« . Io kosa no tenin’i Filipo manoloana ny fanazavan-dresaka natao tamin’i Tomasy. Toa olona tsy te- hiady hevitra lava. Toa ela loatra izany fanazavanao izany ry Jesoa , fa tonga dia tsory ny resaka. Izany no mby ao an-tsaina raha mahita izany tenin’i Filipo izany. Misy amintsika olona tsy te hiasa saina tahaka an’i Filipo. Raha ny marina dia tsy hoe : te-hiasa saina izy fa tsy niasa saina mihitsy tamin’izay zavatra nitranga teo amin’ny fiainany. Hoy Jesoa : « Izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo, ka tsy mbola fantatrao ihany va aho , ry Filipo ? » Maro amintsika no toy izany ankehitriny : mandre ihany fa tsy maheno, mijery ihany fa tsy mahita toa an’i Filipo. « Anio, raha hihaino ny feony ianareo, Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tamin’ny fahasosorana » (Heb 3:15)

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.