Mofon’aina – TALATA 22 MAI 2018

1 Tamin’ ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.2 Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana; ary aizina no tambonin’ ny lalina. Ary ny Fanahin’ Andriamanitra nanomba tambonin’ ny rano.3 Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia mazava; dia nisy mazava.4 Ary hitan’ Andriamanitra fa tsara ny mazava; ary nampisarahin’ Andriamanitra ny mazava sy ny maizina.5 Ary Andriamanitra nanao ny mazava hoe,andro’; ary ny maizina nataony hoe,alina’. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, – andro voalohany izany.
GENESISY 1 :1-5

NY  ASAN’NY  FANAHY  AMIN’NY FAHARIANA

Mbola mpahary  ve Andriamanitra  ankehitriny   sa efa  vitany  tany am-piandohana ny asa fahariana ka sanatria efa  mipetra-potsiny Izy? Fanontaniana tsy  tokony  haroso izany nefa  mampieritreritra  ka hanairana  ny saintsika sy ny finoantsika. Miharihary  eto amin’ny Gen1. fa ny  Fanahin’ Andriamanitra no  lohalaharana amin’ny fahariana. Efa nanatrika  tao  anatin’ny aizina sy mialohan’ny  nitenenan’ Andriamanitra Izy.

1-Miasa hitondra fahariana ny fanahy.

 Ny  fahariana  dia tsy  fampanjariana ny  tsy  mbola  nisy ho  tonga   misy ihany   na famoronana  zavatra vaovao, fa fahariana koa ny  famonjena sy fanavaozana ary ny fanomezana aina. Ny  olona  voavonjy  sy nandray famelankeloka tao  amin’i Kristy  sy tamin’ny Anaran’i Jesoa Kristy  koa dia toy ny voahary  vaovao ary  izany  no ilazana fa olombaovao izy (2 Kor. 5 :17).

2-Anisan’ny  asa fahariana  koa ny fanaovana zavatra  « tsara ».

Izany  no  antony ahitantsika  ny  teny  miverimberina hoe:  « hitan’Andriamanitra fa tsara… ». Ny « tsara » amin’ny fahariana  dia tsy  tarafina amin’ny endrika amam-bika ihany, fa tsaraina amin’ny fandavorariany ny asany, araka  izay nikendren’ Andriamanitra   azy koa. Isany  no hevitra  fototra tian’ny  Soratra Masina  havoitra. Tsy  ho  lavorary  ny asany  raha tsy eo  ny asan’ny Fanahy masina. Asan’ Andriamanitra  koa isika, ary  voahary  vaovao   sady olomboavonjy . Koa maneke hotarihan’ny Fanahy mba hanao asa tsara  (Efe. 2 :10). Tsy  ny hankanton’ny  asa ihany, fa ny  fahalavorariany araka ny sitrapon’ Andriamanitra. Fadio  ny kitoatoa, kendreo  ny tanjona amin’ny asanao mba hitondra soa sy  fitahiana ho an’ny mpiara-belona. Ny  fitarihan’ny Fanahy no miantoka izany .

Fanontaniana:

Ahoana ny afndraisanao  ny Efes. 2 :10 araka izany ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !