Mofon’aina – Talata 22 novambra 2016

18 Ary soraty ho amin’ ny anjelin’ ny fiangonana any Tyatira: Izao no lazain’ ny Zanak’ Andriamanitra, Izay manana maso toy ny lelafo, ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano:19 Fantatro ny asanao sy ny fitiavanao sy ny finoanao sy ny fanompoanao ary ny faharetanao, ary ny asanao farany dia be noho ny voalohany.20 Kanefa manan-teny aminao Aho, satria ianao mandefitra amin’ ilay vehivavy Jezebela, izay milaza ny tenany ho mpaminanivavy ka mampianatra sady manoloky ny mpanompoko hijangajanga sy hihinana hena naterina tamin’ ny sampy.21 Ary nomeko andro hibebahany izy, nefa tsy mety mibebaka amin’ ny fijangajangany izy.22 Indro, hampandamahiko eo am-pandriana izy, ary izay mijangajanga aminy dia hataoko ao amin’ ny fahoriana lehibe, raha tsy hibebaka amin’ ny asan-dravehivavy izy.23 Ary hovonoiko amin’ ny fahafatesana ny zanany; ary ny fiangonana [Gr. eklesia] rehetra hahalala fa Izaho no mandinika ny voa sy ny fo; ary homeko araka ny asanareo avy ianareo rehetra.24 Fa aminareo izay sisa any Tyatira, dia izay tsy manana izany fampianarana izany sady tsy mba mahalala ny ataon’ ireo hoe « sain-dalin’ i Satana », dia izao no lazaiko: tsy hovesarako entana hafa ianareo;25 kanefa izay anananareo dia tano mafy mandra-pihaviko.26 Ary izay maharesy ka mitandrina ny asako hatramin’ ny farany dia homeko fahefana amin’ ny jentilisa;27 ary hiandry azy amin’ ny tehim-by izy ka hanorotoro azy toy ny fanorotoro vilany tany, dia araka izay efa noraisiko tamin’ ny Raiko.28 Ary homeko azy ny kintana fitarika andro.29 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ ny Fanahy amin’ ny fiangonana.
APOKALYPSY 2 :18-29

IREO KARAZANA OLONA MANAO ASA AO AM-PIANGONANA

Tsy misy miafina amin’ny Tompo ny momba antsika manatanteraka ny asa fanompoana ao amin’ny fiangonana .

1-Mpino manao asa tsara

Hitan’ny Tompo ny fahatsaran’ny asan’ireto fiangonana tany Tyatira ireto. Asa tsara fototra niorina tao amin’ny finoana sy ny fitiavana ary misy faharetana ka mitombo mihoatra izay vita tamin’ny voalohany ny aty aoriana , saingy tsy nahay nanavaka ny fanahy sandoka sy ny marina izy ireo ka voafitaka . Mitandrema sao misy mamitaka anao ihany eo amin’ny asa fanompoana.

2-Diso làlana antsoina hibebaka

Hita tao anatin’ny fiangonana tany Tyatira ny fisian’ny mpamitaka. Nisy aza ireo mpitondra nirona tamin’ny fanarahana izany fampianaran-diso izany, toa nandefitra tamin’ny faharatsian’ny olona. Fitiavana ny Tompo ka maneho fa diso làlana izay milona amin’ny faharatsiana. Araraoty ny antso ataony ka mibebaha. Ialao ny fahotana .

3-Olona mitana ny Tenin’i Kristy

Hita tao koa ireo mitana ny fahamarinana ,mandeha amin’ny fahafahana izy ireny ,kanefa mila mahay mitana ny finoana marina,mandeha araka ny sitrapon’ Andriamanitra. Làlan-tokana handraisan’izy ireo ny fiainam-pandresena izany.

Fanontaniana :

Iza amin’ireo karazan’olona ireo no misy anao ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen !