Mofon’aina – TALATA 23 MAY 2017

9 Nikodemosy namaly ka nanao taminy hoe: Hatao ahoana no hahatonga izany zavatra izany?10 Jesoa namaly ka nanao taminy hoe: Ianao va no mpampianatra ny Isiraely ka tsy mahalala izany zavatra izany?11 Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Izay fantatray no lazainay, ary izay hitanay no ambaranay; nefa ny fanambaranay tsy raisinareo.12 Raha ny zavatra etỳ an-tany aza no nolazaiko taminareo ka tsy inoanareo, ahoana no hinoanareo, raha milaza aminareo ny zavatra any an-danitra Aho?13 Ary tsy nisy niakatra ho any an-danitra, afa-tsy Ilay nidina avy tany an-danitra, dia ny Zanak’ olona, Izay any an-danitra.14 Ary tahaka ny nanandratan’ i Mosesy ny menarana tany an-efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’ olona,15 mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy.
JAONA 3 :9-15

Anankiray  amin’ny fanambarana  ny fanahin’ny Tompo ny fahendrena araka ny Soratra Masina (Isa 11 :2). Ny fahateraham-baovao  no hanomezany izany  ho an’ny olomboafidiny toa ireo mpianatra (Asa 2 :4) efa nanaiky Azy. Ny fanahin’ny fahendrena dia:

1-Manokatra ny masom-panahy  hahalala ny Teniny 

« Ary  tsy nisy  niakatra ho any an-danitra, afa-tsy ilay nidina avy tany an-danitra dia ny Zanak’olona,izay any an-danitra » (and 13). Valim-panontaniana nomen’i Jesoa an’i Nikodemosy  ho fanazavana momba ny fahaterahana vaovao. Nilazan’i Jesoa fa  ny fahatongavany teto an-tany  dia ho fanehoana  an’Andriamanitra tao Aminy sady ho famonjena ny olona. Izy Ilay Andriamanitra tonga olona mba handraisany ny olona ho Zanak’ Andriamanitra amin’ny fahateraham-baovao.

2-Mitaona antsika handray ny famonjena

« mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino  Azy » (and 15). Milaza faminaniana ny zavatra tsy maintsy  hitranga  amin’ny tenany i Jesoa. Tanjony ny hinoantsika ka handraisantsika ny fahazavan’ny Soratra Masina rehetra milaza Azy. Rehefa nateraka indray ny olona dia miray aina  amin’ilay niteraka azy. Fiainana mandrakizay avy  amin’ny finoana  an’i Jesoa Kristy izany. Mandray ny famonjena dia ny famelan-keloka amin’ny alalan’i Jesoa Kristy isika noho ny hazo fijaliany, nohariny amin’ny menarana nahantona tamin’ny andron’i Mosesy.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !