MOFON’AINA TALATA 23 OKTOBRA 2018

4 Mihainoa izao, ianareo izay mihanahana te-hitelina ny malahelo sy ta-hahafongana ny mpandefitra amin’ ny tany 5 Ka manao hoe: Rahoviana no ho tapitra ny voaloham-bolana, hivarotantsika vary, sy ny Sabata, hanokafantsika ny lava-bary, ka hanakelezana ny efaha sy hanalehibiazana ny sekely, ary hanaovana mizana mandainga 6 Mba hovidintsika volafotsy ny mahantra sy kiraro iray lomisy ny malahelo, ary hivarotantsika ny loha-kororoky ny vary?
AMOSA 8 : 4-6

ANDRIAMANITRA MIARO NY MALAHELO SY NY MPANDEFITRA

1- Mahalala ny hevi-dratsy rehetra hatao amin’ireo

Ireo mpanambaka sy mpampahory ny mahantra dia mihanjahanja eo anatrehan’ny Tompo. Fantany ny fikasan-dratsy rehetra ka izany no hiarovany ny mpanompony izay malahelo sy hianjadian’ny tsy rariny andavanandro. Manana famaliana ho an’ ireo manao teti- dratsy ireo ny Tompo (and.7 sns). Tokony ho feno fahatokiana Azy isika fa mtsinjo antsika iharan’ny fampahoriana sy ny tsy rariny Izy Tompo. Tsarovy ny Teniny hoe : « Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory » (Jos.1 :5). Tonga ho antsika ny famonjen’i Jesoa Kristy ka ny finoana Azy no aoreno mafy.

2- Manatsotra ny sandriny hamonjy azy hatrany

Na dia mampanjaka ny tsy rariny aza ireo mpampahory ny mahantra ireo. Andriamanitra tsy nitazam-potsiny fa miteny sy mampitandrina azy ireo kosa. Manamafy izany ny nahatongavan’i Jesoa Kristy teto antany mihitsy handrava nv fampahoriana ka ny tenany dia nanaiky ho tonga malahelo mba hampanan-karena azy ireo kosa. Izany hoe, tanjon’ny Tompo Jesoa ny fanafahana antsika amin’izay mamatotra na inona na inona. Izany no nilazany hoe : « raha ny zanaka no manafaka anareo dia ho afaka tokoa ianareo ». Matokia ny Tenin’ny Tompo isika.

Fanontaniana :

Ahoana ny fahatsapanao fa momba antsika Andriamanitra ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !