Mofon’aina – TALATA 24 APRILY 2018

1 Izay rehetra mino fa Jesoa no Kristy dia naterak’ Andriamanitra; ary izay rehetra tia Izay niteraka dia tia izay naterany koa.2 Izao no ahafantarantsika fa tia ireo zanak’ Andriamanitra isika, dia ny itiavantsika an’ Andriamanitra sy ny ankatoavantsika ny didiny.3 Fa izao no fitiavana an’ Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny.4 Fa izay rehetra naterak’ Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao; ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika.5 Iza moa no maharesy izao tontolo izao afa-tsy izay mino fa Jesoa no Zanak’ Andriamanitra?6 Izy ilay avy tamin’ ny rano sy ny rà, dia Jesoa Kristy; tsy tamin’ ny rano ihany, fa tamin’ ny rano sy ny rà. Ary ny Fanahy no manambara, satria ny Fanahy no fahamarinana.7 Fa misy telo izay manambara,8 dia ny Fanahy sy ny rano ary ny rà; ary mifanaraka tsara izy telo.9 Raha mandray ny fanambaran’ ny olona isika, lehibe lavitra ny fanambaran’ Andriamanitra; fa ny fanambaran’ Andriamanitra dia ny nanambarany ny Zanany.10 Izay mino ny Zanak’ Andriamanitra no manana ny fanambarana ao anatiny; izay tsy mino an’ Andriamanitra dia efa nampandainga Azy, satria tsy mino ny fanambarana izay nanambaran’ Andriamanitra ny Zanany izy.11 Ary izao no fanambarany: Fiainana mandrakizay no omen’ Andriamanitra antsika, ary ao amin’ ny Zanany izany fiainana izany.12 Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana; izay tsy manana ny Zanak’ Andriamanitra no tsy manana ny fiainana.
1 JAONA 5 :1-12

NY  FINOANA  AN’I JESOA KRISTY

1-Miseho  amin’ny fankatoavana ny didiny (and 1-5)

Ny finoana ny fitiavan’i Kristy sy ny fankatoavana ny didiny dia mifameno . Izay  tia sy  mino  an’i Kristy  dia tsy maintsy  mitandrina ny didiny. Mety ho  mora  na mety  ho sarotra  ny  mankato  sy  manaraka  ireo  didin’ Andriamanitra  ireo  amin’ny maha-nofo aman-drà  antsika . Saingy, ny  finoana  ny herin’iLay zanak’ Andriamanitra  miasa ao anatintsika  no mampandresy ka hahatanterahana ilay hoe: « fankatoavana ny didiny ».

2-Antoka hananana ny fiainana mandrakizay (and 9-11)

-Ny rano amin’ny  batisa  dia midika  ho  fanadiovana  sy manaisotra ny  fahotana  ary  mamelona  ny fiainana ao  amin’i Kristy.

-Ny rà indray  kosa  ilay manambara   ilay  fanatitra   tokana  sy  tanteraka  naterina teo ambony hazo fijaliana. Ambara  fa araha tsy  misy rà latsaka dia tsy  misy famelankeloka. Noho izany, io   no hahazoana famindrampo sy famonjena. Manambara ny Fanasan’ny Tompo izany.

-Ny Fanahy Masina, Ilay Herin’ Andriamanitra  miasa  ao amin’izay  mino, dia ilay  nomena mba hampahery. Ireo  telo  ireo no   omena  ny  mpino  maimaimpoana mba hahazoany antoka ny fahazoana mandova  ny lanitra.

Fanontaniana:

Nahoana no tsy mahazo  antoka ny   amin’ny hahazoany   fiainana mandrakizay ny  mpino maro?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !