Mofon’aina – Talata 24 janoary 2017

3 Mihainoa Ahy, ry taranak’ i Jakoba sy izay sisa rehetra amin’ ny taranak’ Isiraely, izay nobabena hatrany an-kibo sy nentina hatrany am-bohoka:4 Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsy volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo. Izaho no nanao, ka Izaho ihany no hitrotro, eny, izaho no hitondra sy hanafaka.5 Hampitovinareo amin’ iza moa Aho, sy amin’ iza no hanoharanareo Ahy ary iza no hataonareo ho tahaka Ahy mba hitahany Amiko?6 Izay mandraraka volamena avy ao an-kitapo Sy mandanja volafotsy amin’ ny mizana Dia manakarama mpanefy volamena mba hanao izany ho andriamanitra, Hiankohofany sy hivavahany.7 Dia betainy ho eny an-tsorony iny ka entiny ary apetrany eo amin’ ny fitoerany iny, ka dia mitoetra eo; Tsy mahay miala eo amin’ ny fitoerany iny; ary na dia misy mitaraina aminy aza, dia tsy mahay mamaly izy, na mahavonjy azy amin’ ny fahoriany.
ISAIA 46 :3-7

MAHATOKY SY TSY MIOVA NY ANDRIAMANINTSIKA

1-Manasa antsika hihaino Azy Izy

Asain’ny Tompo mihaino azy ny vahoakany (and3). Ilaina tokoa ny fahaizantsika mihaino Azy. « Isika », satria enti-milaza ny vahoaka voafidy ny hoe: « taranak’i Jakoba », ka isika fiangonana ankehitriny no tondroina amin’izany. Henoy Izy ! Raha mihaino ny Tompo isika dia ho tsapantsika fa mahatoky sy tsy miova amin’ny teniny Izy. Mahatoky, na amin’ny heriny na amin’ny toetrany ny Tompo Andriamanintsika. Matoa isika tsy mahatsapa izany dia isika no manenti-tadiny na manadino ny teniny.

2-Mahatoky amin’ny famonjeny Izy

Hatramin’ny fahazazana ka mandraka antitra dia tsy miova amin’ ny fitiavany Izy ka mamonjy antsika sy misahirana amintsika. Ny vahoakan’ Andriamanitra na ny Zanak’Israely mantsy dia heverina ho zaza tamin’ny andron’ny Patriarka. Ny andron’ny fahatanorany kosa dia fony izy tany anefitra avy tany Egypta , ary ny fiainany rehetra taty aoriana no fahalehibiazany , ny andro ho avy rehetra no fahanterany . Tsy miova amin’ny fitiavany ny Tompo . Tsy tantaran’ny lasa sy ny fahazazantsika ihany ny famonjeny, fa tsy miova Izy mandra-pahantintsika ary mbola vonona hisahirana amintsika hatrany Izy. Ny toetrany mahatoky amin’ny famonjeny no nanirahany an’i Jesoa zanany no tonga olona niara-nonina tamintsika mba ho akaikintsika hatrany ka hamonjy antsika amin’izay manjo antsika.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.
Amen !