MOFON’AINA TALATA 24 MARTSA 2020

Ary rehefa tonga aminao izany zavatra rehetra izany, dia ny fitahiana sy ny fanozonana izay nataoko teo anoloanao, ary mahatsiaro izany ao am-ponao any amin’ny firenena rehetra izay androahan’i Jehovah Andriamanitrao anao ianao, 2. ka miverina amin’i Jehovah Andriamanitrao sy mihaino ny feony amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, araka izay rehetra andidiako anao sy ny zanakao anio, 3. dia hampodin’i Jehovah Andriamanitrao avy amin’ny fahababoanao ianao, ary hamindra fo aminao Izy ka hanangona anao indray avy any amin’ny firenena rehetra izay nampielezan’i Jehovah Andriamanitrao anao. 4. Raha misy aminao voaroaka any amin’ny faravodilanitra, dia avy any no hanangonan’i Jehovah Andriamanitrao anao, ary avy any indray no hanalany anao. 5. Dia hampidirin’i Jehovah Andriamanitrao ao amin’ny tany izay nolovan’ny razanao ianao, ka holovanao izany; ary hanisy soa anao Izy sy hahamaro anao mihoatra noho ny razanao. 6. Dia hoforan’i Jehovah Andriamanitrao ny fonao sy ny fon’ny taranakao hitiavanao an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, mba ho velona ianao. 7. Ary hataon’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fahavalonao sy ny mankahala anao izay nanenjika anao ireny fanozonana rehetra ireny. 8. Dia hihaino ny feon’i Jehovah indray ianao ka hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio. 9. Ary hataon’i Jehovah Andriamanitrao manana amby ampy ianao amin’izay hahasoa anao, dia amin’ny asan’ny tananao sy ny ateraky ny kibonao sy ny ateraky ny biby fiompinao ary ny vokatry ny taninao; fa ho faly aminao indray Jehovah ka hahasoa anao, araka izay nahafaliany tamin’ny razanao, 10. raha mihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrao ianao, hitandremanao ny didiny sy ny lalàny, izay voasoratra amin’ity bokin’ny lalàna ity, ka miverina amin’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra.
DEOTERONOMIA 30 : 1-10

NY ANTSON’ANDRIAMANITRA HIVERINA AMINY

Ny fihainoana an’Andriamanitra no loharanom-pitahiana ho an’ny zanak’isiraely. Ary hozona kosa ho an’izay minia tsy mihaino. Ireo dia foto-kevitra matanjaka be ao amin’ny bokin’ny Deoteronomia. Antsoin’ny Tompo hiverina Aminy ny vahoakany

  1. Hihaino Azy (and 2)

« ka miverina amin’i Jehovah Andriamanitrao sy mihaino ny feony amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, araka izay rehetra andidiako anao sy ny zanakao anio »

Ny zanak’isiraely sy ny taranany no iantefan’ny antso eto. Izao hetsika izao dia efa fampianarana ny taranaka sahady ny maha-sarobidy ny fihainoana ny Tompo. Hoy isika teo hoe loharanom-pitahiana izany. Fa rehefa mihaino koa dia ny maha-olona manontolo no ho enti-mihaino an’Andriamanitra : saina, vatana, fanahy. Loharanom-pitahiana ny fihainoana satria manome fahendrena ho enti-miaina, fahendrena ifandraisana amin’ny hafa.

Atak’izao fampianarana eto izao dia tena sarobidy ny fiverenana amin’ny Tompo, sarobidy satria fomba ahafahana mihaino Azy indray izany mba hahazoam-pahendrena ho enti-miaina sy mifandray tsara amin’ny hafa.

  1. Hoforany ny fony (and 6)

« Dia hoforan’i Jehovah Andriamanitrao ny fonao sy ny fon’ny taranakao hitiavanao an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, mba ho velona ianao »

Ny famorana dia tsy tokony hohadinoina fa fanesorana izay rehetra mitahiry loto eo amin’ny lehilahy ka mety hamparary azy. Endriky ny fanadiovana araka izany ny famorana. Antsoin’ny Tompo hiverina Aminy ny vahoakany eto mba hodioviny. Ary rehefa madio dia ambarany fa ho velona. Famelomana no tanjon’ny famorana. Ary rehefa velona dia hihaino ny Tompo indray ka handray fitahiana amby ampy. Ilay famorana eto dia miantefa amin’ny maha-olona manontolo satria ny fo sy fanahy no foran’ny Tompo. Ny fo ho enti-manondro ny tena ary ny fanahy amin’ny maha-fanahy.

Zava-dehibe ny fiverenana amin’ny Tompo satria mamelona izany rehefa avy noforany. Koa izay velona ka mihaino ny Tompo no hanana fitahiana amby ampy.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.